Ary i Jesoa namerimberina hoe: –Ray ô, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony! Dia nifampizaràn’ireo miaramila ny fitafian’i Jesoa ka nanaovany loka.
Marka 15:24 - DIEM PROTESTANTA Dia nohomboany tamin’ny hazofijaliana Izy; ary nifampizarany ny fitafiany, ka nanaovany loka hahitana izay anjaran’ny tsirairay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nohomboin’ireo tamin’ny hazofijaliana Izy, dia nataony antsapaka ny fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nohomboany tamin’ny hazofijaliana Izy; ary nifampizarany ny fitafiany, ka nanaovany loka hahitana izay anjaran’ny tsirairay. Baiboly Katolika Nony voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nozarainy ny akanjony, ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa voahombony tamin’ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka ny fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy. Malagasy Bible Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy. La Bible en Malgache Ary nohomboin’ireo tamin’ny hazofijaliana Izy, dia nataony antsapaka ny fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy. |
Ary i Jesoa namerimberina hoe: –Ray ô, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony! Dia nifampizaràn’ireo miaramila ny fitafian’i Jesoa ka nanaovany loka.
Natolotra izany Lehilahy izany araka ny voatendrin’ny fikasan’Andriamanitra sy araka ny fandaharany hatrizay rahateo; ka ny namonoanareo Azy dia nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana tamin’ny alalan’ny ratsy fanahy;
Efa natsangan’ilay Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, Izay nahantonareo teo amin’ny hazofijaliana no namonoanareo azy.
Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.
I Kristy dia nanavotra anay Jiosy ho afaka amin’ny ozona tanisain’ny lalàna; fa nanjary niharan’ny ozona Izy ho famonjena anay satria hoy ny Soratra Masina hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo!»
Tsy havelanareo hiloaka alina eo amin’ny hazo izany faty izany, fa tsy maintsy halevinareo androtriny ihany, satria voaozon’Andriamanitra ny faty mihantona amin’ny hazo; koa aza lotoina ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo.
ny tenan’i Kristy no nitondra ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, mba hitsaharantsika amin’ny fahotana ka hivelomantsika hanao ny marina; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.