Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 15:15 - DIEM PROTESTANTA

Te hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato, ka dia i Barabasy no nalefany ho azy; fa i Jesoa kosa nasainy nokapohina sy natolony hohomboana amin’ny hazofijaliana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ta hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato ka nanafaka an’i Barabasy ho azy ireo; fa Jesosy kosa dia natolony mba hokaravasina sy hohomboina amin’ny hazofijaliana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Te hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato, ka dia i Barabasy no nalefany ho azy; fa i Jesoa kosa nasainy nokapohina sy natolony hohomboana amin’ny hazofijaliana.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary noho i Pilaty te-hahazo sitraka amin’ny vahoaka, dia nandefa an’i Barabasy ho azy izy, ary nampikapoka an’i Jesoa sy nanolotra Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin’ny vahoaka, ka dia nandefa an’i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony azy mba hohomboana amin’ny hazofijaliana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin'ny vahoaka, ka dia nandefa an'i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony azy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ta hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato ka nanafaka an’i Barabasy ho azy ireo; fa Jesosy kosa dia natolony mba hokaravasina sy hohomboina amin’ny hazofijaliana.

Jereo ny toko



Marka 15:15
17 Rohy Ifampitohizana  

Nanoritana vava asa lava ny lamosiko, toy ny ataon’ny mpiasa tany eo amin’ny sahany.


satria lehibe tafapaka amin’ny lanitra ny fitiavanao ary avo tafapaka amin’ny rahona ny fahamarinanao.


Mampidi-doza ny fahatahorana olona; fa izay matoky ny TOMPO kosa no voaaro.


Ny lamosiko atolotro amin’ireo mpikapoka ahy, ary ny takolako amin’ireo mpanongo-bolom-bava. Ny tavako tsy nafeniko ho difin’ny fanevatevana sy ny fandrorana natao tamiko.


ry zareo kosa hanolotra Azy amin’ny hafa firenena mba hoesoiny sy hokapohiny ary hohomboany amin’ny hazofijaliana. Kanefa hitsangana velona Izy amin’ny andro fahatelo.


Tamin’izay dia nalefan’i Pilato ho azy ireo i Barabasy; fa i Jesoa kosa nasain’i Pilato nokapohina ary natolony mba hohomboana amin’ny hazofijaliana.


ka hoesoiny, hororany sy hokapohiny ary dia hovonoiny ho faty. Kanefa andro fahatelo aorian’izany, dia hitsangana velona Izy.


Dia hoy i Pilato tamin’ny vahoaka: –Fa inona àry no ratsy nataony? Fa vao mainka koa niantsoantso mafy ny vahoaka nanao hoe: –Homboy amin’ny hazofijaliana ilay iny!


ary rehefa nokapohiny, dia hovonoiny ho faty; kanefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.


noho izany, hasaiko hokapohina Izy dia halefako. [


Tamin’izay dia nalain’i Pilato i Jesoa ka nasainy nokapohina.


Tamin’izay dia natolotr’i Pilato azy ireo i Jesoa mba hohomboana amin’ny hazofijaliana. Dia noraisin’ny Jiosy i Jesoa.


Rehefa afaka roa taona, dia nodiasan’i Pôrsy Festo amin’ny maha governora i Feliksa. Ary satria te hahazo sitraka amin’ny Jiosy i Feliksa, dia navelany ho ao am-ponja i Paoly.


Nila sitraka tamin’ny Jiosy anefa i Festo ka nanontany an’i Paoly hoe: –Tianao ve ny hiakatra any Jerosalema ka hotsaraina any eo anatrehako ny momba ity raharaha ity?


Tsy nahita apôstôly hafa aho; fa ny hitako dia i Jakôba rahalahin’ny Tompo.


ny tenan’i Kristy no nitondra ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, mba hitsaharantsika amin’ny fahotana ka hivelomantsika hanao ny marina; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.