Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Miambena àry ianareo fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
Marka 13:32 - DIEM PROTESTANTA –Fa ny amin’izay andro sy ora hahatongavan’izany, dia tsy misy mahalala na ny anjely any an-danitra na ny Zanak’olona, fa Izy Ray ihany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahafantatra, na ny anjely any an-danitra, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Fa ny amin’izay andro sy ora hahatongavan’izany, dia tsy misy mahalala na ny anjely any an-danitra na ny Zanak’olona, fa Izy Ray ihany. Baiboly Katolika Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. Malagasy Bible Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. La Bible en Malgache Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahafantatra, na ny anjely any an-danitra, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. |
Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Miambena àry ianareo fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
Nony ela, dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nampamoaka azy telo lahy ny amin’ny petra-bolany.
Nony mamatonalina, dia nisy niantso mafy hoe: «Intỳ tamy ny mpampakatra! Mandehana ianareo mitsena azy!»
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Tsy anjaranareo ny mahalala ny fotoana na ny vaninandro voatendrin’ny Ray araka ny fahefàny manokana.
Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo; ary amin’izany dia hirimorimo mafy ka hanjavona ny habakabaka sady ho levon’ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy, ary hodorana avokoa ny tany sy izay taozavatra ao aminy.
Fanambaràna nataon’i Jesoa Kristy no aroso amin’ity boky ity. Izany fanambaràna izany dia nomen’Andriamanitra Azy mba hanehoan’i Jesoa Kristy amin’ireo mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. I Jesoa Kristy, tamin’ny alalan’ny anjely izay nirahiny, no nampahalala izany tamin’i Jôhany.
Koa tsarovy izay fomba nandraisanao sy nihainoanao ny tenin’Andriamanitra ary dia tano izany ka ialao ny toe-dratsinao. Raha tsy miambina ianao, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao.