Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 13:24 - DIEM PROTESTANTA

–Fa amin’ireo andro ireo, raha vao afaka izany fijaliana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany, dia ho tonga maizina ny masoandro ary tsy hanome ny fahazavany ny volana,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Fa amin’ireo andro ireo, raha vao afaka izany fijaliana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

«Fa amin’izany andro izany, rehefa afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa amin’izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa amin'izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany, dia ho tonga maizina ny masoandro ary tsy hanome ny fahazavany ny volana,

Jereo ny toko



Marka 13:24
20 Rohy Ifampitohizana  

Ny kintana eny an-danitra, na ny telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavàny intsony; vao miposaka ny masoandro dia ho maizina, ary ny volana tsy handefa ny tarany intsony.


Noho izany, dia misaona ny tany ary mihamaizina ny lanitra any ambony. Satria Izaho no efa niteny; ka tsy hanova ny fanapahan-kevitro Aho na hihemotra amin’izany.»


Rehefa maty ianao, dia hohamaiziniko ny lanitra, hosaronako ny fahazavan’ny kintana, hotakonako rahona ny masoandro ary tsy hamirapiratra intsony ny hazavan’ny volana.


«Hoy koa ilay anjely tamiko: ‹Amin’izany fotoana izany dia hitsangana i Mikaela, ilay filoha lehibe, izay mijoro homba ny firenenao; ary hisy fotoana mampahory tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisiam-pirenena ka hatramin’io fotoana io. Ary amin’izany fotoana izany dia ho voavonjy ny olona rehetra anisan’ny firenenao, ka hita voasoratra ao amin’ny boky.


Ony afo no nipoitra sy nikoriana avy teo anatrehany. An-tapitrisa ireo nanompo azy ary an-jato tapitrisa no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ireo mpitsara ary nosokafana ny boky.


Eo anoloany dia mihorohoro ny tany, mipararetra ny lanitra, mihamaizina ny masoandro sy ny volana ary tsy mamiratra intsony ny kintana.


Moa hamiratan-tsoa ve ny androm-pamaizan’ny TOMPO? Tsia, fa ho andro maizim-panahiana izany, ho andro maizina tsy misy mangirana mihitsy.


Koa mitandrema, fa efa voalazako mialoha taminareo ny zavatra rehetra.


Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo; ary amin’izany dia hirimorimo mafy ka hanjavona ny habakabaka sady ho levon’ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy, ary hodorana avokoa ny tany sy izay taozavatra ao aminy.


Sady andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian’ilay andron’Andriamanitra, izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan’ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy!


Dia hitako ity sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany amana habakabaka dia nandositra teo anatrehany, ka tsy hita intsony izay toerana nisy azy.