–Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy mpanan-tany nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana; dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa.
Marka 12:8 - DIEM PROTESTANTA Dia nosamborin’ireo mpamboly izy ka novonoiny ho faty ary natsipiny tany ivelan’ny tanimboaloboka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nosamborin’ireo izy ka novonoiny ho faty ary natsipiny teny ivelan’ny tanim-boaloboka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nosamborin’ireo mpamboly izy ka novonoiny ho faty ary natsipiny tany ivelan’ny tanimboaloboka. Baiboly Katolika Dia nosamboriny izy ka novonoiny, ary natsipiny any ivelan’ny tanimboaloboka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan’ny tanimboaloboka. Malagasy Bible Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka. La Bible en Malgache Dia nosamborin’ireo izy ka novonoiny ho faty ary natsipiny teny ivelan’ny tanim-boaloboka. |
–Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy mpanan-tany nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana; dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa.
Dia nosamborin’ireo mpamboly izy ka natosiny tany ivelan’ny tanimboaloboka ary novonoiny.
Saingy nifampiresaka ireo mpamboly nanao hoe: «Ny mpandova ity, ka ndeha hovonoina, dia ho antsika ny lova.»
Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka? Ho avy izy ka ny mpamboly haringany ary ny tanimboaloboka homeny olon-kafa.
Dia natosiny tany ivelan’ny tanimboaloboka ilay io ka novonoiny. Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Inona àry no hataon’ny tompon’ny tanimboaloboka amin’ireo mpamboly?