Marka 12:39 - DIEM PROTESTANTA ny mipetraka eny aloha ao amin’ny sinagôga ary ny maka toeram-boninahitra any amin’ny fanasana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary tia ny fipetrahana eny anoloana ao amin’ny sinagoga sy ny fitoerana eny anoloana any amin’ny fanasana Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny mipetraka eny aloha ao amin’ny sinagôga ary ny maka toeram-boninahitra any amin’ny fanasana. Baiboly Katolika ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagoga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana. Baiboly Protestanta Malagasy ary tia ny fipetrahana aloha ao amin’ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin’ny fanasana, Malagasy Bible ary tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin'ny fanasana, La Bible en Malgache ary tia ny fipetrahana eny anoloana ao amin’ny sinagoga* sy ny fitoerana eny anoloana any amin’ny fanasana |
Ny ankamamiany dia ny maka ny toeram-boninahitra amin’ny fanasana sy ny mipetraka eny aloha ao amin’ny sinagôga
Hoy koa i Jesoa tamin’ny fampianarany hoe: –Mitandrema amin’ireo mpahay lalàna. Ny tiany dia ny mandehandeha eny amin’ny lala-mitafon’ny tempoly sy ny arahabaina eny an-kianja,
Ataony tapitra ny fananan’ny mpitondratena, ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.