Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 12:34 - DIEM PROTESTANTA

Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena ilay mpahay lalàna, dia nilazany hoe: –Tsy lavitra ny Fanjakàn’Andriamanitra ianao! Ary dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao. Dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena ilay mpahay lalàna, dia nilazany hoe: –Tsy lavitra ny Fanjakàn’Andriamanitra ianao! Ary dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: «Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.» Ary hatramin’izay dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra hianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha hitan'i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao. Dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

Jereo ny toko



Marka 12:34
10 Rohy Ifampitohizana  

Nony nahalala izany i Jesoa, dia niala teo amin’io toerana io; ary vahoaka maro no nanaraka Azy. Nositranin’i Jesoa avokoa ny marary rehetra,


Ny volotara folaka tsy hotapahiny, ny lahin-jiro manetona tsy hovonoiny, ambara-pahazoan’ny Mpanompoko fandresena ho an’ny rariny.


Dia tsy nisy nahavaly an’i Jesoa na dia teny iray akory aza ry zareo; ary nanomboka hatramin’io andro io dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.


Ary tsy nisy olona sahy nanontany an’i Jesoa intsony.


Taloha, fony tsy mbola nisy ny lalàna, dia velona aho; fa nony tonga ny didy, dia ny fahotana no velona,


Fa izaho, dia tamin’ny alalan’ny lalàna no nahafatesako raha ny amin’ny lalàna mba hahavelomako ho an’Andriamanitra. Niara-nohomboana tamin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana aho;


Aoka ho mahatehotia sy mahasoa mandrakariva ny teny ataonareo, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay avy.