Rehefa tonga ny fitsanganan’ny maty ho velona, dia tsy hisy olona hampaka-bady na hampakarina intsony, fa samy hitovy amin’ny anjely any an-danitra avokoa.
Marka 12:25 - DIEM PROTESTANTA Rehefa hitsangana velona ny maty, dia tsy hisy olona hampaka-bady na hampakarina intsony, fa samy hitovy amin’ny anjely any an-danitra avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa hitsangana velona ny maty, dia tsy hisy olona hampaka-bady na hampakarina intsony, fa samy hitovy amin’ny anjely any an-danitra avokoa. Baiboly Katolika Fa rehefa tafatsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony, fa ho tahaka ny Anjely any an-danitra izy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa amin’ny hitsanganana amin’ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy. Malagasy Bible Fa amin'ny hitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy. La Bible en Malgache Fa amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. |
Rehefa tonga ny fitsanganan’ny maty ho velona, dia tsy hisy olona hampaka-bady na hampakarina intsony, fa samy hitovy amin’ny anjely any an-danitra avokoa.
Dia hoy i Jesoa tamin’ireo Tsadoseanina: –Tsy izany tokoa ve no mahadiso hevitra anareo, fa tsy misy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra?
Ary ny amin’ny hoe hitsangana ho velona ny maty, moa tsy novakînareo ao amin’ny bokin’i Mosesy ve ny toko momba ny Roimemy? Fa ao no nitenenan’Andriamanitra tamin’i Mosesy hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Itsehàka ary Andriamanitr’i Jakôba!»
Ry hava-malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, kanefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika rahatrizay. Saingy fantatsika fa rahatrizay hiseho i Kristy, dia ho tahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny maha Izy Azy.