Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe: «Dera anie ho an’ny Zanak’i Davida! Hombam-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy! Dera anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra!»
Marka 11:9 - DIEM PROTESTANTA Ary ireo olona nialoha an’i Jesoa na ireo nanaraka Azy dia samy niantsoantso hoe: –Dera anie ho an’Andriamanitra! Hombam-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aorianany dia samy niantso hoe: «Hosana! Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ireo olona nialoha an’i Jesoa na ireo nanaraka Azy dia samy niantsoantso hoe: –Dera anie ho an’Andriamanitra! Hombam-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy! Baiboly Katolika Ary na izay nandeha teo alohany, na izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: «Hôzàna! Baiboly Protestanta Malagasy Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah! Malagasy Bible Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! La Bible en Malgache Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aorianany dia samy niantso hoe: «Hosana*! Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO! |
Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe: «Dera anie ho an’ny Zanak’i Davida! Hombam-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy! Dera anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra!»
Ary lazaiko aminareo fa tsy ho hitanareo intsony Aho mandra-pilazanareo hoe: «Hombàm-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy!»
Maro ny olona namelatra ny lambany teny amin’ny lalana; ny an’ny sasany kosa rantsan-kazo tinapaka teny an-tsaha.
Dia naka sampan-drofia izy ireo, ka niainga hitsena Azy sady niantsoantso hoe: –Dera anie ho an’Andriamanitra! Hombàm-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy, ilay Mpanjakan’i Israely!
Fa niantsoantso ireo nanao hoe: –Vonoy, vonoy, homboy amin’ny hazofijaliana io! Dia hoy i Pilato taminy: –Dia hohomboako amin’ny hazofijaliana ve ny Mpanjakanareo? Ka novalian’ny lohandoha-mpisorona hoe: –Tsy manana mpanjaka afa-tsy ny amperôra rômanina izahay.