Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 11:7 - DIEM PROTESTANTA

Nentin’izy roa lahy nankeo amin’i Jesoa ilay zana-boriky, ka nametrahan’ny mpianatra rehetra ny lambany teo amboniny ary dia nitaingenan’i Jesoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia noentiny teo amin’i Jesosy ilay zana-boriky ka nataon’ireo teo amboniny ny lambany; dia nitaingina azy Jesosy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nentin’izy roa lahy nankeo amin’i Jesoa ilay zana-boriky, ka nametrahan’ny mpianatra rehetra ny lambany teo amboniny ary dia nitaingenan’i Jesoa.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nentiny tany amin’i Jesoa ny zanak’ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, ary nitaingina teo Izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nentiny teo amin’i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nentiny teo amin'i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia noentiny teo amin’i Jesosy ilay zana-boriky ka nataon’ireo teo amboniny ny lambany; dia nitaingina azy Jesosy.

Jereo ny toko



Marka 11:7
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia samy nanala faingana ny akanjobeny avy ny manamboninahitra rehetra ka namelatra azy teo amin’ny faratampon’ny tohatra anankiray mba hipetrahan’i Jehò. Ary notsofin’ny mpiangaly azy ny anjomara fa ny besinimaro teo kosa niantsoantso hoe: «I Jehò no mpanjaka.»


Mifalia dia mifalia, ry mponin’i Tsiôna! Manaova fihobiana, ry vahoakan’i Jerosalema! Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo; marina sady mandresy Izy, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky, dia boriky tanora zana-borikivavy.


Dia novaliany araka ny nanafaran’i Jesoa azy, ka navelan’ny olona.


Maro ny olona namelatra ny lambany teny amin’ny lalana; ny an’ny sasany kosa rantsan-kazo tinapaka teny an-tsaha.