Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 11:2 - DIEM PROTESTANTA

ka nanao taminy hoe: –Mankanesa amin’itsy tanàna manoloana anareo itsy. Raha vao tafiditra ao ianareo, dia hahita zana-boriky mifatotra mbola tsy nitaingenan’olona; vahao izy dia ento atỳ.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ka niteny tamin’izy ireo hoe: Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, avy hatrany dia hahita zana-boriky iray mifatotra izay mbola tsy nitaingenan’olona; vahao izy ka ento etỳ.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka nanao taminy hoe: –Mankanesa amin’itsy tanàna manoloana anareo itsy. Raha vao tafiditra ao ianareo, dia hahita zana-boriky mifatotra mbola tsy nitaingenan’olona; vahao izy dia ento atỳ.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ary nilaza taminy hoe: «Mankanesa amin’itsy vohitra tandrifinareo itsy; raha vao tonga any ianareo, dia hahita zanak’ampondra anankiray mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’olona; vahao izy ka ento mankatỳ amiko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo hianareo, miaraka amin’izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’olona; vahao izy, ka ento etỳ.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin'izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento etỳ.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ka niteny tamin’izy ireo hoe: Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, avy hatrany dia hahita zana-boriky iray mifatotra izay mbola tsy nitaingenan’olona; vahao izy ka ento etỳ.

Jereo ny toko



Marka 11:2
4 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanakaiky an’i Jerosalema i Jesoa mbamin’ny mpianany sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka mby tao amin’ny faritr’i Betifage sy i Betania, teo akaikin’ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva. Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany i Jesoa


Ary raha misy olona manontany anareo hoe: «Ahoana no anaovanareo izao?», dia valio hoe: «Misy ilàn’ny Tompo azy, fa vetivety foana dia haveriny eto.»