Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin’ilay aviavy hoe: –Tsy hisy olona hihinana voa avy aminao intsony na oviana na oviana! Ary ren’ny mpianany izany.
Marka 11:15 - DIEM PROTESTANTA Dia tonga tao Jerosalema ry zareo. Ary namantana tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo noroahiny, ny latabatr’ireo mpanakalo vola sy ny sezan’ireo mpivaro-boromahailala nazerany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tonga tany Jerosalema izy ireo dia niditra tao amin’ny tempoly Jesosy ka nandroaka izay nivarotra sy izay nividy tao amin’ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra voromailala. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia tonga tao Jerosalema ry zareo. Ary namantana tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo noroahiny, ny latabatr’ireo mpanakalo vola sy ny sezan’ireo mpivaro-boromahailala nazerany, Baiboly Katolika Dia tonga tany Jerosalema izy ireo, ka nony niditra tao amin’ny Tempoly i Jesoa, dia nandroaka izay nivarotra sy nividy tao, ary nanjera ny latabatry ny mpampisambo-bola sy ny fipetrahan’ny mpivaro-boromahailala, Baiboly Protestanta Malagasy Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan’ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra ny voromailala; Malagasy Bible Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan'ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala; La Bible en Malgache Ary tonga tany Jerosalema izy ireo dia niditra tao amin’ny tempoly Jesosy ka nandroaka izay nivarotra sy izay nividy tao amin’ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra voromailala. |
Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin’ilay aviavy hoe: –Tsy hisy olona hihinana voa avy aminao intsony na oviana na oviana! Ary ren’ny mpianany izany.