Marka 11:12 - DIEM PROTESTANTA Ny ampitson’iny, raha niala tao Betania i Jesoa sy ny mpianany, dia nahatsiaro noana i Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony ampitson’iny, rehefa niala tany Betania Jesosy, dia nahatsiaro noana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny ampitson’iny, raha niala tao Betania i Jesoa sy ny mpianany, dia nahatsiaro noana i Jesoa. Baiboly Katolika Nony ampitso, raha niala tany Betania Izy, dia noana, Baiboly Protestanta Malagasy ARY nony ampitson’iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy. Malagasy Bible Ary nony ampitson'iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy. La Bible en Malgache Nony ampitson’iny, rehefa niala tany Betania Jesosy, dia nahatsiaro noana. |
Nahatazana aviavy anankiray nandrobona Izy; ka lasa nankeo nizaha raha sendra nisy voany; kanjo nony tonga teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy raviny fotsiny, satria tsy fotoanan’ny aviavy.
Nandalo teo amin’ilay aviavy ry zareo ny ampitso maraina, ka nahita ity hazo maina hatramin’ny fakany.
efapolo andro sady nalain’ny devoly fanahy, ary tsy nikasika hanina nandritra izany andro izany ka noana tamin’ny farany.
Taorian’izany, dia fantatr’i Jesoa fa efa vita ny zavatra rehetra; ka mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: –Mangetaheta Aho.
Koa amin’ny zavatra rehetra dia tsy maintsy tahaka ireo zandriny Izy, ka ho tonga Mpisorombe mamindra fo sy mahatoky eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, mba hanonitra ny heloky ny vahoaka.