Haleloià! Miderà ny TOMPO ianareo any an-danitra any; eny, miderà Azy ianareo any ambony any.
Marka 11:10 - DIEM PROTESTANTA Hombam-pitahiana anie ity Fanjakana tonga, dia ny Fanjakan’i Davida raintsika! Dera anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hotahina anie ity fanjakana izay avy ity, dia ny an’i Davida raintsika! Hosana any amin’ny avo indrindra!» (Sal 118.26) Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hombam-pitahiana anie ity Fanjakana tonga, dia ny Fanjakan’i Davida raintsika! Dera anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra! Baiboly Katolika Hohasoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hohasoavina anie ny fanjakan’i Davida raintsika, izay efa tonga izao; Hôzàna any amin’ny Avo indrindra». Baiboly Protestanta Malagasy Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an’i Davida raintsika! Hosana any amin’ny avo indrindra (Sal 118.26). Malagasy Bible Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26). La Bible en Malgache Hotahina anie ity fanjakana izay avy ity, dia ny an’i Davida raintsika! Hosana any amin’ny avo indrindra!» (Sal 118.26) |
Haleloià! Miderà ny TOMPO ianareo any an-danitra any; eny, miderà Azy ianareo any ambony any.
Koa hariako ve ny taranak’i Jakôba sy ny an’i Davida mpanompoko? Holaviko ve ny hanendry lehibe hitondra ny taranak’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba? «Tsia, fa hamerina azy amin’ny laoniny Aho ary hamindrafo aminy.»
Aorian’izany ny Israelita dia hitady indray ny TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, ka hiverina amin-kovitra amin’ny TOMPO sy ireo zava-tsoany amin’ny hoavy.
Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe: «Dera anie ho an’ny Zanak’i Davida! Hombam-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy! Dera anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra!»
Ary aza mihambo anakampo hoe: manana an’i Abrahama ho razambenay izahay! Satria lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra atao ny manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.
«Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra; ary fiadanana etỳ an-tany ho an’ny olombelona fa nanehoany fitia!»