Dia novalian’i Jesoa hoe: –Ianareo no natao hahalala ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’ny lanitra, fa ireo kosa tsy natao hahalala.
Marka 10:40 - DIEM PROTESTANTA fa izany hoe hipetraka eo ankavanako na eo ankaviako izany kosa tsy miankina amiko, fa ho an’izay nanomanan’Andriamanitra azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa ny hipetraka eo ankavanako na eo ankaviako kosa dia tsy anjarako ny hanome izany fa natao ho an’ireo izay nanamboarana azy izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa izany hoe hipetraka eo ankavanako na eo ankaviako izany kosa tsy miankina amiko, fa ho an’izay nanomanan’Andriamanitra azy. Baiboly Katolika fa raha ny hipetraka ao ankavanako na ao ankaviako kosa dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany.» Baiboly Protestanta Malagasy fa ny hipetraka eo an-tànako ankavanana na eo an-tànako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena. Malagasy Bible fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena. La Bible en Malgache fa ny hipetraka eo ankavanako na eo ankaviako kosa dia tsy anjarako ny hanome izany fa natao ho an’ireo izay nanamboarana azy izany. |
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Ianareo no natao hahalala ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’ny lanitra, fa ireo kosa tsy natao hahalala.
Ary hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy: –Ny fijaliana hiaretako, dia hiaretanareo tokoa; fa izany hoe hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako izany kosa dia tsy miankina amiko, fa ho an’izay nanomanan’ny Raiko azy!
Ary dia izao no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankavanany: «Avia ianareo nombàn’ny Raiko fitahiana; raiso ho lova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana an’izao tontolo izao.
Araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ny olombelona rehetra, dia omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezany aina maharitra mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.
Ray ô, tiako hiaraka amiko any amin’izay misy Ahy ireo nomenao Ahy mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy noho Ianao efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao.
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Tsy anjaranareo ny mahalala ny fotoana na ny vaninandro voatendrin’ny Ray araka ny fahefàny manokana.
saingy tanindrazana tsara lavitra no irîny, dia ilay tanindrazana any an-danitra. Izany no tsy mahamenatra an’Andriamanitra ny hantsoina hoe «Andriamanitr’izy ireo», satria olona efa nanamboarany tanàna ireo.