Toy ny ilomanitra mby an-dohan’olona nasaina ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra. Toy ny somotr’i Aharôna mpisorombe ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony.
Levitikosy 8:12 - DIEM PROTESTANTA Ary nandrotsahany menaka fanosorana teo amin’ny lohan’i Aharôna; ka nohosorany i Aharôna mba ho voatokana ho an’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nandrarahany teo amin’ny lohan’i Arona avy eo ny diloilo fanosorana ka nanosotra azy izy mba hanamasinana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nandrotsahany menaka fanosorana teo amin’ny lohan’i Aharôna; ka nohosorany i Aharôna mba ho voatokana ho an’Andriamanitra. Baiboly Katolika Dia norotsahany diloilo fanosorana ny lohan’i Aarôna, ka nohosorana izy, mba hahamasina azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanidinany teo amin’ny lohan’i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy. Malagasy Bible Ary nanidinany teo amin'ny lohan'i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy. La Bible en Malgache Nandrarahany teo amin’ny lohan’i Arona avy eo ny diloilo fanosorana ka nanosotra azy izy mba hanamasinana azy. |
Toy ny ilomanitra mby an-dohan’olona nasaina ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra. Toy ny somotr’i Aharôna mpisorombe ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony.
«Ry Mosesy, hampiakanjoinao ireo fanamiana ireo i Aharôna zokinao sy ny zanany lahy ary hohosoranao diloilo ny lohany, dia hapetrakao amin’ny toerany izy; toy izany no hanokananao azy hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona azy.
Horarahanao ilomasina koa i Aharôna sy ny zanany lahy ho fanokanana azy mba hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona.
Ianareo kosa aza miala eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, fandrao maty ianareo; satria voatokana ho an’ny TOMPO ianareo noho ny menaka nanosorana anareo. Dia nanao araka ny tenin’i Mosesy izy telo mianaka.
«Rehefa ilay mpisorombe no manota, dia mahameloka ny vahoaka rehetra izy; ka noho ny ota vitany, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolony amin’ny TOMPO mba ho sorona fanalana ny ota.
Nodidian’ny TOMPO mihitsy izany mba homen’ny Israelita azy ireo, manomboka amin’ny andro nanokanana azy ho mpisorona.
Ary nangalan’i Mosesy ny menaka fanosorana sy ny ra izay teo ambonin’ny alitara, dia nafafiny tamin’i Aharôna sy ny zanany ary koa tamin’ny fanamiany ka samy voatokana ho an’Andriamanitra i Aharôna sy ny zanany mbamin’ny fanamiany.