Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 8:11 - DIEM PROTESTANTA

Namafazany menaka impito teo ambonin’ny alitara ary nohosorany menaka avokoa ny alitara sy ny fanaka momba azy ary ny fitobian-drano boribory mbamin’ny tongony mba ho voatokana ho an’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Namafazany impito teo ambonin’ny alitara ny diloilo, nohosorany avokoa ny alitara mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny koveta sy ny faladiany mba hahamasina azy ireny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Namafazany menaka impito teo ambonin’ny alitara ary nohosorany menaka avokoa ny alitara sy ny fanaka momba azy ary ny fitobian-drano boribory mbamin’ny tongony mba ho voatokana ho an’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nofafazany izany impito ny ôtely; nohosorany avokoa ny ôtely sy ny fanaka rehetra momba azy mbamin’ny tavy amam-paladiany, mba hahamasina azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia namafazany impito teo ambonin’ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia namafazany impito teo ambonin'ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Namafazany impito teo ambonin’ny alitara ny diloilo, nohosorany avokoa ny alitara mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny koveta sy ny faladiany mba hahamasina azy ireny.

Jereo ny toko



Levitikosy 8:11
13 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa nisava ny ando dia indro nisy zavatra mivaingana nijanona teny an-taniefitra, boriborikely toy ny fanala nifafy tamin’ny tany.


Dia hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: –Aoka tsy hisy olona hamela sisa ho tra-maraina.


«Isan’andro dia hanolotra ombilahy iray ho sorona ahazoana famelan-keloka ianao. Hataonao izany hanadiovana ny alitara fisoronana; ary horarahanao diloilo ny alitara mba hanokanana azy.


Haharitra fito andro koa io lanonana io; ka raha afaka izany, dia ho masina indrindra ny alitara, ary izay rehetra mahakasika azy na olona na zavatra dia hiharan-doza.


Rehefa vita fanokanana ireo, dia ho voatokana ho Ahy tokoa, ka izay rehetra mikasika azy na olona na zavatra dia hiharan-doza.


Ankoatra izany, dia ento eny an-tananao iny tehina iny mba hanaovanao zava-mahagaga.


Ary ankehitriny, atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofok’i Mosesy tao an-tratrany ny tanany; nefa rehefa notsoahany avy tao, dia indro boka ny tanany ka fotsy toy ny oram-panala.


Firenen-kafa maro kosa no ho talanjona ny aminy; ka hitampim-bava eo anatrehany aza ireo mpanjaka, satria izay tsy mbola notantaraina taminy no hitany ary izay tsy mbola reny akory no saintsaininy.


Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo.


ary hatsobony amin’io menaka izay eo am-pelatanany ankavia io ny fanondrony ankavanana ka hanaovany famafazana impito eo anatrehan’ny TOMPO.


dia hatsobony ao amin’ny ra ny fanondrony, ka eo anoloan’ny Toeramasina Indrindra izy no hamafy ra impito ny lafin’ilay efitra lamba atrehiny.


dia hatsobony ao amin’ny ra ny fanondrony, ka eo anoloan’ny Toeramasina Indrindra izy no hamafy ra impito ny lafin’ilay efitra lamba atrehiny.


Fa nandrotsahan’Andriamanitra be dia be ny Fanahy Masina isika tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa Mpamonjy antsika,