Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 6:9 - DIEM PROTESTANTA

Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia hohanin’i Aharôna sy ny taranany; kanefa hataony mofo tsy misy leviora izany, vao hohaniny eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay sisa amin’izany dia hohanin’i Arona sy ireo zanany; hataony tsy misy masirasira izany ary eo amin’ny fitoerana masina iray ao anatin’ny kianjan’ny tranolay fihaonana no hihinanany azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia hohanin’i Aharôna sy ny taranany; kanefa hataony mofo tsy misy leviora izany, vao hohaniny eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Izay sisa amin’ny fanatitra dia hohanin’i Aarôna sy ny zanany; ka hohaniny tsy misy lalivay, eo amin’ny fitoerana masina, amin’ny kianjan’ny trano lay fihaonana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izay sisa amin’ireny dia hohanin’i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin’izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin’ny kianjan’ny trano-lay fihaonana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izay sisa amin'ireny dia hohanin'i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin'izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay sisa amin’izany dia hohanin’i Arona sy ireo zanany; hataony tsy misy masirasira izany ary eo amin’ny fitoerana masina iray ao anatin’ny kianjan’ny tranolay fihaonana* no hihinanany azy.

Jereo ny toko



Levitikosy 6:9
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia ho an’i Aharôna sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.


Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia ho an’i Aharôna sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.


Ny mofo dia ho an’i Aharôna sy ny taranany ka eo amin’ny faritra voatokana ho an’izany no hihinanany azy. Zava-masina dia masina ho an’ny mpisorona izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho AHY: anjara raikitra hatrany hatrany izany ho azy.»


ka ilay mpisorona manolotra azy ho fanalana ny ota no hihinana azy eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana;


Dia hangalan’ny mpisorona anankiray eran-tanan’ila ilay koba lafarinina voararaka menaka mbamin’ny vovoka zava-manitra rehetra eo amboniny, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany mba ho hanitra ankasitrahin’ny TOMPO.


«Izao no sakafo dorana izay hatolotrareo ho an’ny TOMPO isan’andro: zanak’ondry roa izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema. Ho sorona dorana manontolo tsy tapaka ho Azy izany.


«Amin’ny andro sabata kosa dia izao no hatolotra: zanak’ondry roa izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema sy lafarinina tsara toto enina kilao nofetaina tamin’ny menaka mbamin’ny fanatitra divay momba azy.