Ilay levita atao hoe Kôrà, zanakalahin’i Jimnà sady mpiandry ny varavarana atsinanana, no nisahana ny fanati-tsitrapo ho an’Andriamanitra ary nizara ny zavatra navahana ho an’ny TOMPO sy ny zava-masina indrindra.
Levitikosy 10:12 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna ary tamin’i Elehazara sy i Itamara zananilahy sisa velona: –Alao ny fanatitra lafarinina ambiny, rehefa nesorina ny ampahany nolevonina tamin’ny afo mba ho an’ny TOMPO; dia ataovy mofo tsy misy leviora ka hano eo anilan’ny alitara, satria zava-masina dia masina izany sakafo izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona sy i Eleazara ary Itamara zanany lahy sisa tavela: Raiso ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay sisa amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO ka hano eo anilan’ny alitara izany nefa aza asiana masirasira satria zavatra tena masina izy io. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna ary tamin’i Elehazara sy i Itamara zananilahy sisa velona: –Alao ny fanatitra lafarinina ambiny, rehefa nesorina ny ampahany nolevonina tamin’ny afo mba ho an’ny TOMPO; dia ataovy mofo tsy misy leviora ka hano eo anilan’ny alitara, satria zava-masina dia masina izany sakafo izany. Baiboly Katolika Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy tamin’ireo zanak’i Aarôna, roa lahy sisa, i Eleazara sy i Itamara: «Alao ny fanatitra sisa avy amin’ny sorona natao tamin’ny afo ho an’i Iaveh, ka hano tsy misy lalivay, eo akaikin’ny ôtely, fa zava-masina dia masina izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Mosesy tamin’i Arona ary tamin’i Eleazara sy Itamara zanani-lahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin’ny fanatitra natao tamin’ny afo ho an’i Jehovah, ka hano eo anilan’ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masina dia masina izany. Malagasy Bible Ary hoy Mosesy tamin'i Arona ary tamin'i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin'ny fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Jehovah, ka hano eo anilan'ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masina dia masina izany. La Bible en Malgache Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona sy i Eleazara ary Itamara zanany lahy sisa tavela: Raiso ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay sisa amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO ka hano eo anilan’ny alitara izany nefa aza asiana masirasira satria zavatra tena masina izy io. |
Ilay levita atao hoe Kôrà, zanakalahin’i Jimnà sady mpiandry ny varavarana atsinanana, no nisahana ny fanati-tsitrapo ho an’Andriamanitra ary nizara ny zavatra navahana ho an’ny TOMPO sy ny zava-masina indrindra.
sy zafim-paladian’i Abisoa ary zafin-dorian’i Pinehasa, dia i Pinehasa zanakalahin’i Elehazara sy zafin’i Aharôna mpisorombe.
Makà kobam-barimbazaha, ka manaova mofo tsy misy leviora, mofo mamy misy diloilo saingy tsy misy leviora, ary mofo manify tsy misy leviora sady voararaka diloilo.
Izy ireo ihany no mahazo mihinana izay nampiasaina tamin’ny fanokanana sy ny fametrahana azy eo amin’ny raharahany mba hahazoany famelan-keloka amin’ny Tompo. Tsy misy olon-kafa mahazo mihinana ireo, fa sakafo masina ireo.
I Aharôna dia nanambady an’i Eliseba, zanakavavin’i Haminadaba sady anabavin’i Nahasôna; io Eliseba io no niterahan’i Aharôna an’i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.
Ny fanatitra vokatry ny tany sy ny biby natolotra ho sorona fanalana ny ota na ho sorom-panonerana no hohaniny. Ny zavatra rehetra natokana ho Ahy amin’i Israely, dia ho an’ny mpisorona.
Eo amin’ny faritra voatokana ho an’izany ihany no hihinananareo azy, fa anjaranao sy ny zanakao izany ambiny avy amin’ny fanatitra ho an’ny TOMPO izany araka ny baiko nomeny ahy.
Azony ihinanana ihany anefa ny zavatra atao sorona amiko, na ny zavatra masina dia masina na ny zavatra masina.
Ny mofo dia ho an’i Aharôna sy ny taranany ka eo amin’ny faritra voatokana ho an’izany no hihinanany azy. Zava-masina dia masina ho an’ny mpisorona izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho AHY: anjara raikitra hatrany hatrany izany ho azy.»
Ny fanatitra masaka rehetra, nendasina tamin’ny lafaoro na tamin’ny lapoaly na tamin’ny takela-by, dia an’ilay mpisorona manolotra azy.
Nanan-janaka efatra mirahalahy i Aharôna, ka i Nadaba no lahimatoa, ny sisa dia i Abihò sy i Elehazara ary i Itamara.