Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 1:16 - DIEM PROTESTANTA

Dia hoesoriny ny takorobabony mbamin’ny ao anatiny, ka hararany eo atsinanan’ny alitara, eo amin’ny fitobian-davenona;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hesoriny ny takorobabony sy ny volony dia hariany eo atsinanan’ny alitara, eo amin’ny fitoeran-davenona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoesoriny ny takorobabony mbamin’ny ao anatiny, ka hararany eo atsinanan’ny alitara, eo amin’ny fitobian-davenona;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hoesoriny ny takorobabony mbamin’izay rehetra maloto eo aminy, dia hariana eo akaikin’ny ôtely amin’ny atsinanany, eo amin’ny fitoeran-davenona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan’ny alitara, dia eo amin’ny fitoeran-davenona;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan'ny alitara, dia eo amin'ny fitoeran-davenona;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hesoriny ny takorobabony sy ny volony dia hariany eo atsinanan’ny alitara, eo amin’ny fitoeran-davenona.

Jereo ny toko



Levitikosy 1:16
8 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay fotoana izay dia nody tamiko tokoa ny saiko; ary mba ho voninahitry ny fanjakako, dia naverina tamiko ihany koa ny fiandrianako amam-pamirapiratako. Nitady ahy ireo mpanolotsaiko sy ireo olo-manan-kajako; ary naverina teo amin’ny fahefàm-panjakako aho, ka haja mihoa-pampana no natolotra ahy.


Ary ny ombilahy sy osilahy, izay natao sorona fanalana ny ota sady samy efa nangalana ra mba hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ao amin’ny Toeramasina Indrindra, dia hindaosina any ivelan’ny toby, ka hodorana ny hodiny sy henany ary dikin-drorohany.


izany hoe ny sisa rehetra amin’ilay ombilahy, dia hasainy hoentina any ivelan’ny toby, ho any amin’izay toerana madio fanariana ny lavenona, ka hodorana eo ambony kitay hazo mirehitra izany; eo amin’ny toerana fanariana ny lavenona no handoroana azy.


Avy eo dia hiakanjoan’ny mpisorona ny akanjony sy ny kalisaoniny samy vita amin’ny lamba rongony; ary handraoka ny lavenona avy amin’ny sorona dorana levon’ny afo teo ambonin’ny alitara izy, ka hametraka azy eo anilan’ny alitara.


Dia novalian’ny anjely hoe: –Ho tonga eo aminao ny Fanahy Masina, ka ny herin’ny Avo indrindra hanarona anao. Noho izany ilay Masina haterakao dia hantsoina hoe Zanak’Andriamanitra.


Voafidy araka ny efa voatendrin’Andriamanitra Ray ianareo ary voatokana ho Azy noho ny asan’ny Fanahy Masina, mba hanaiky an’i Jesoa Kristy sy hanana anjara amin’ny famafazana ny rany. Hampitomboina ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!