Ary nianiana tamin’ny TOMPO izy ireo, ka nampombainy horakoraka sy fihobiana ary feon-trompetra sy anjomara izany.
Josoa 24:24 - DIEM PROTESTANTA Ka niteny tamin’i Josoa ny vahoaka hoe: –Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy ny vahoaka tamin’i Josoa: NY TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka niteny tamin’i Josoa ny vahoaka hoe: –Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay. Baiboly Katolika Ka hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe: «I Iaveh Andriamanitsika no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy ny vahoaka tamin’i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay. Malagasy Bible Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay La Bible en Malgache Dia hoy ny vahoaka tamin’i Josoa: NY TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay. |
Ary nianiana tamin’ny TOMPO izy ireo, ka nampombainy horakoraka sy fihobiana ary feon-trompetra sy anjomara izany.
Namaly indray miredona ny vahoaka manontolo nanao hoe: –Izay rehetra nandidian’ny TOMPO dia hataonay! Dia notaterin’i Mosesy tamin’ny TOMPO ny valin-tenin’ny Israelita.
Dia lasa nitatitra tamin’ny Israelita izay rehetra nolazain’ny TOMPO sy nandidiany azy i Mosesy, ka novalian’ny vahoaka manontolo indray niredona hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay avokoa.
Avy eo dia nalainy ny bokin’ny fanekempihavanana ka novakîny mafy teo imason’ny vahoaka. Dia nanambara ny Israelita hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay an-tsakany sy an-davany.
Naniraka anao hanontany ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Koa hotanterahinay izay rehetra asainy hataonay, na tianay na tsy tianay; ary handeha tsara ho anay ny zavatra rehetra, satria mankatò ny feon’ny TOMPO Andriamanitsika izahay.