Josoa 20:9 - DIEM PROTESTANTA Ireo tanàna ireo no natokana ho fialofana ho an’ny Israelita rehetra sy ny vahiny valovotaka ao aminy; any no handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy hovonoin’ny mpamaly faty izy ambara-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana israelita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo no tanàna voafidy ho an’ny Zanak’Israely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy mba tsy ho fatin’ny tanan’ny mpamaly ra izy mandra-pisehony eo anatrehan’ny fiangonana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo tanàna ireo no natokana ho fialofana ho an’ny Israelita rehetra sy ny vahiny valovotaka ao aminy; any no handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy hovonoin’ny mpamaly faty izy ambara-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana israelita. Baiboly Katolika Ireo no tanàna natokana ho an’ny zanak’i Israely rehetra, sy ny vahiny mitoetra eo aminy, hialofan’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin’ny tanan’ny mpamaly ra izy, alohan’ny hisehoany eo anatrehan’ny fiangonana. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo no tanàna voafidy ho an’ny Zanak’Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin’ny tanan’ny mpamaly ra izy mandra-pisehony eo anatrehan’ny fiangonana. Malagasy Bible Ireo no tanàna voafidy ho an'ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tanan'ny mpamaly rà izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana. La Bible en Malgache Ireo no tanàna voafidy ho an’ny Zanak’Israely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy mba tsy ho fatin’ny tanan’ny mpamaly ra izy mandra-pisehony eo anatrehan’ny fiangonana. |
Ny olona rehetra, na Israelita izy na vahiny miara-monina amin’ny Israelita ka nahafaty olona tsy nahy, dia afaka mialokaloka amin’ireo tanàna enina ireo.
Ary rehefa mandositra amin’ireo tanàna ireo ilay namono olona tsy nahy, dia hijanona eo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna, ka hanazava amin’ireo loholona ao an-tanàna ny zava-niseho. Dia horaisin’ireo ho ao an-tanànany izy ka homeny toerana mba hiara-monina aminy.
Honina ao amin’io tanàna io izy ambara-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana israelita ary ambara-pahafatin’ny mpisorombe niasa tamin’izany andro izany. Dia hody ilay nahafaty olona ka hiverina an-tranony, any amin’ilay tanàna izay nialany fony izy nandositra.
Teny ampita atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao kosa dia ireto tanàna ireto no voafidy: i Betsera, any amin’ny taniefitra lembalemba, avy amin’ny fokon’i Reobena; sy i Ramôta any Gilehada, avy amin’ny fokon’i Gada; ary i Gôlana any Basàna, avy amin’ny fokon’i Manase.