Ary ankehitriny, aoka hianiananareo amin’ny Tompo aho fa hamindranareo fo ny fianakaviako tahaka izay namindrako fo taminareo: koa mba omeo famantarana azo antoka aho
Josoa 2:13 - DIEM PROTESTANTA fa havelanareo ho velona ny ray aman-dreniko sy ireo mpiray tampo amiko mbamin’ny ankohonany tsirairay avy ka hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko mbamin’ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; ary hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa havelanareo ho velona ny ray aman-dreniko sy ireo mpiray tampo amiko mbamin’ny ankohonany tsirairay avy ka hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo. Baiboly Katolika fa hovelominareo ny raiko aman-dreniko, sy ny anadahy aman-drahavaviko, mbamin’ny olona rehetra momba azy, ka hamonjy anay tsy ho faty ianareo.» Baiboly Protestanta Malagasy fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty hianareo. Malagasy Bible fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo. La Bible en Malgache fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko mbamin’ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; ary hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo. |
Ary ankehitriny, aoka hianiananareo amin’ny Tompo aho fa hamindranareo fo ny fianakaviako tahaka izay namindrako fo taminareo: koa mba omeo famantarana azo antoka aho
Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Raha tàhiny tsy ambaranao olona izao fandalovanay mpisafo tany izao, dia hamindra fo sy hanao izay hitsiny aminao izahay, rehefa homen’ny TOMPO anay ity tany ity. Raha tsy izany no ataonay aminareo mianakavy, dia aoka ny ainay no ho faty hisolo ny anareo.
Dia nandeha tany izy roa lahy ka namoaka an’i Rahaba sy ny ray aman-dreniny ary ny mpiray tampo aminy sy ireo havany sisa rehetra; ary toerana azo antoka teo ivelan’ilay tobin’ny Israelita no nametrahany azy.