Josoa 10:42 - DIEM PROTESTANTA Koa ny mpanjaka rehetra mbamin’ny taniny manontolo dia nalain’i Josoa tamin’ny famelezana indray mandeha ihany, satria ny TOMPO Andriamanitr’i Israely mihitsy no niady ho an’ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon’i Josoa indray mandeha satria NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no niady ho an’ny Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa ny mpanjaka rehetra mbamin’ny taniny manontolo dia nalain’i Josoa tamin’ny famelezana indray mandeha ihany, satria ny TOMPO Andriamanitr’i Israely mihitsy no niady ho an’ny Israelita. Baiboly Katolika Fanafihana indray mandeha monja no nahazoan’i Jôsoe ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny rehetra, satria i Iaveh Andriamanitr’i Israely no niady ho an’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon’i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an’ny Isiraely. Malagasy Bible Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon'i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an'ny Isiraely. La Bible en Malgache Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon’i Josoa indray mandeha satria NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no niady ho an’ny Israely. |
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny zava-maneno avo feo. Tononkira nataon’ireo terak’i Kôra.
Hoy ny Tompo hoe: «Tapitra hatreo ny ady; ka ekeo fa Izaho no Andriamanitra, voasandratra hanerinerina amin’ireo firenena, voasandratra hanerinerina amin’ny tany.»
Mitabataba ny firenena, mikorontana ny fanjakana; ny Tompo kosa namoaka feo toa kotro-baratra, dia nihovotra sy niempo ny tany.
Eo anatrehan’i Efraîma sy i Benjamîna ary i Manase, fohazy ny herinao ka tongava hamonjy anay.
Nohidiany ny kodiaran’ny kalesy ka nihisatra ny fitarihana azy. Dia hoy ny Ejiptianina hoe: –Andao handositra ny Israelita isika, fa ny TOMPO no miady ho azy ireo amintsika!
Satria sarobidy eo imasoko ianao, manan-danja amiko sady tiako. Koa nanome olona ho solonao Aho sy firenena maro ho takalon’ny ainao.
Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ny fahavalonareo mba hampandresy anareo.»
Ary tsy nisy andro tahaka iny, na taloha na taoriana, izay nihainoan’ny TOMPO hatak’olona; fa niady ho an’i Israely ny TOMPO.
Avy teo dia niverina ho an-toby tany Gilgala i Josoa sy ny Israelita rehetra niaraka taminy.