Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 10:18 - DIEM PROTESTANTA

Dia nanome baiko i Josoa hoe: –Anakodiavo vato lehibe eo am-bavazohy ary asio olona hiambina azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy i Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan’ny zohy ary asio olona eo anoloany hiambina azy;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nanome baiko i Josoa hoe: –Anakodiavo vato lehibe eo am-bavazohy ary asio olona hiambina azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia hoy i Jôsoe: «Kodiavo vato lehibe ny vava zohy, dia asio olona hiambina azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan’ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan'ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy i Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan’ny zohy ary asio olona eo anoloany hiambina azy;

Jereo ny toko



Josoa 10:18
8 Rohy Ifampitohizana  

Raha avy ny loza, afaka ihany ny olon-dratsy, raha tonga ny fahatezerana, dia voaaro izy.


toy ny amin’ny olona mandositra liona kanefa mifanehatra amin’ny orsa; na toy ny amin’ny olona tonga ao an-trano sy mitehina amin’ny rindrina, kanefa kaikerin’ny menarana.


Hitako ny Tompo, nitsangana teo ambonin’ny alitara sady niteny hoe: «Asio ny lohan’ireo andry amin’ity tempoly ity dia hihozongozona ny fiorenany. Hotorotoroiko avokoa ireo lohandohany amin’izay rehetra eto ary izay sisa tavela dia haringako amin’ny ady; tsy hisy ho afa-mandositra ary tsy hisy ho afa-mitsoaka.


Dia lasa izy ireo ka nataony tsara antoka ny fasana: nasiany tombokase ny vato hidim-pasana sady nametrahany mpiambina.


Hita fa niafina tao ireo ka nambara tamin’i Josoa izany.


Kanefa ianareo aza mijanona any, fa enjeho ny fahavalonareo ka asio avy ao ivohony; aza avela hiditra any an-tanànany, satria efa natolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ao an-tananareo izy.


Taorian’izany, dia nasain’i Josoa novohana ny vavazohy ka havoaka tao ireo mpanjaka dimy mba hoentina eo aminy.