Jona 2:3 - DIEM PROTESTANTA ka nanao hoe: Tao an-katerena aho, TOMPO ô, no velon-taraina taminao, ka namaly ahy Ianao; tao anatin’ny toeran’ny maty no niantsoako vonjy taminao, ka nihaino ahy Ianao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy izy: Niantso NY TOMPO tamin’ny fahoriako aho dia namaly ahy Izy; avy tao anatin’ny fitoeran’ny maty no nitarainako dia nihaino ny feoko Ianao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nanao hoe: Tao an-katerena aho, TOMPO ô, no velon-taraina taminao, ka namaly ahy Ianao; tao anatin’ny toeran’ny maty no niantsoako vonjy taminao, ka nihaino ahy Ianao. Baiboly Katolika ka nanao hoe: «Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho, ary namaly ahy Izy; nitaraina aho tao an-kibon’ny Seoly, ka nihaino ny feoko Ianao. Baiboly Protestanta Malagasy ka nanao hoe: Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin’ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao. Malagasy Bible ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao. La Bible en Malgache Hoy izy: Niantso NY TOMPO tamin’ny fahoriako aho dia namaly ahy Izy; avy tao anatin’ny fitoeran’ny maty* no nitarainako dia nihaino ny feoko Ianao. |
Tsy hitanondrika foana aho, Tompo ô, fa aleoko mivetsovetso Anao avy atỳ amin’ny faritra iandohan’i Jôrdàna, dia ny tendrombohitra Hermôna sy Mitsehara.