Izy no namerina indray ny tanin’i Israely hatreo Lebô-Hamata any avaratra ka hatrany amin’ny Ranomasina Maty any atsimo araka ny nambaran’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’ny alalan’i Jônà mpaminany zanakalahin’i Amitahy avy any Gata-Hefera.
Jona 1:1 - DIEM PROTESTANTA Indray andro dia nisy baikon’ny TOMPO tamin’i Jônà zanakalahin’i Amitahy nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tonga tamin’i Jona, zanak’i Amitahy, ny tenin’NY TOMPO hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indray andro dia nisy baikon’ny TOMPO tamin’i Jônà zanakalahin’i Amitahy nanao hoe: Baiboly Katolika Ary tonga tamin’i Jônasy zanak’i Amatì, ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy ARY tonga tamin’i Jona, zanak’i Amitahy, ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Malagasy Bible Ary tonga tamin'i Jona, zanak'i Amitahy, ny tenin'i Jehovah nanao hoe: La Bible en Malgache Tonga tamin’i Jona, zanak’i Amitahy, ny tenin’NY TOMPO hoe: |
Izy no namerina indray ny tanin’i Israely hatreo Lebô-Hamata any avaratra ka hatrany amin’ny Ranomasina Maty any atsimo araka ny nambaran’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’ny alalan’i Jônà mpaminany zanakalahin’i Amitahy avy any Gata-Hefera.
Ny liona no nierona, ka iza no tsy hatahotra? Ny Tompo ANDRIANANAHARY no niteny, ka iza no tsy hampita ny hafatra ampitondrainy?
Ratsy fanahy sady mpivadika amin’Andriamanitra ny olona ankehitriny: fatra-pitady famantarana nefa tsy homena famantarana afa-tsy ilay momba an’i Jônà mpaminany! Dia nandao azy ireo i Jesoa ka lasa nandeha.
Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ireo mponina tao Ninive ka hanameloka azy; fa niala tamin’ny toe-dratsy ireo mponina tao Ninive nony nandre ny toritenin’i Jônà! Indro anefa misy mihoatra noho i Jônà eto!