Joela 4:9 - DIEM PROTESTANTA Antsoantsoy any amin’ny hafa firenena izao: «Miomàna hiady, vonòny ny miaramilanareo; aoka ny mpiady rehetra hiara-manainga. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ambarao any amin’ny Jentilisa izao: Miantsoa hanao ady masina, fohazy ny lehilahy mahery! Aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Antsoantsoy any amin’ny hafa firenena izao: «Miomàna hiady, vonòny ny miaramilanareo; aoka ny mpiady rehetra hiara-manainga. Baiboly Katolika Miantsoa izao any amin’ny firenena: Miomàna hiady ianareo! Asaovy mitsangana ny lehilahy mahery! Aoka hanatona, aoka hiakatra avokoa, ny lehilahy mpiady rehetra! Baiboly Protestanta Malagasy Antsoy any amin’ny jentilisa izany, Miantsoa hanao ady masina, fohazy ny lehilahy mahery, Aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra; La Bible en Malgache Ambarao any amin’ny Jentilisa* izao: Miantsoa hanao ady masina, fohazy ny lehilahy mahery! Aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra! |