Joela 4:6 - DIEM PROTESTANTA Ary ny mponin’i Joda sy i Jerosalema kosa dia namidinareo tamin’ny Grika mba hampanalavirina ny taniny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanak’i Joda sy ny zanak’i Jerosalema dia namidinareo tamin’ny Grika mba hamindranareo azy hanalavitra ny taniny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny mponin’i Joda sy i Jerosalema kosa dia namidinareo tamin’ny Grika mba hampanalavirina ny taniny. Baiboly Katolika ianareo no nivarotra tamin’ireo zanak’i Javàna ny zanaka lahin’i Jodà sy ny zanaka lahin’i Jerosalema, mba hitondrana azy lavitra ny taniny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanak’i Joda sy ny zanak’i Jerosalema dia namidinareo tamin’ny zanaky ny Grika, Hamindranareo azy hanalavitra ny taniny. La Bible en Malgache Ny zanak’i Joda sy ny zanak’i Jerosalema dia namidinareo tamin’ny Grika mba hamindranareo azy hanalavitra ny taniny. |