Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joela 1:9 - DIEM PROTESTANTA

Tsy misy entina intsony ao an-tranon’ny TOMPO na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka. Noho izany, misaona ny mpisorona dia ireo mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy hita ao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy misy entina intsony ao an-tranon’ny TOMPO na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka. Noho izany, misaona ny mpisorona dia ireo mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tapaka tsy misy intsony ny fanatitra amam-panatitra araraka, ao an-tranon’i Iaveh; misaona ny mpisorona mpanao raharahan’i Iaveh!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Efa tapaka tsy ho ao amin’ny tranon’i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Efa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy hita ao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Joela 1:9
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny aminay kosa, dia ny TOMPO no Andriamanitray, ka tsy mba nandao Azy izahay. Ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’ny TOMPO dia ny taranak’i Aharôna; ary ny levita koa manana ny anjara raharahany.


«Ry Mosesy, ampanatòny ho eo akaikinao i Aharôna rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin’ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin’ny fisoronana.


Ianareo kosa dia hantsoina hoe: «Mpisorona ho an’ny TOMPO», na holazaina koa hoe: «Mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Andriamanitsika.» Hanasoavana anareo ny fananan’ny firenen-kafa; ary ianareo no higalabona amin’ny voninahiny.


Izany no loza itomaniako, sy mahatonga ahy hamarin-dranomaso; fa lavitra ahy ilay mpampionona izay afaka hamelombelona ny aiko. Ringana ny zanako, fa nahery ny fahavalo.


Misaona ny lalana mankany Tsiôna satria tsy misy miakatra amin’ny fety. Mangina avokoa ny kianjany ary sentom-pahakiviana no ataon’ny mpisorony. Ory fatratra ireo tovovaviny, ka mangidy amin’i Tsiôna izany!


Tsy ho afa-mandraraka divay intsony izy mba ho fanatitra ho an’ny TOMPO; tsy hahafaly Azy ny sorona ateriny; ho toy ny mofom-pisaonana amin’izy ireo izany, ka ho voaloto avokoa izay mihinana azy. Hahavoky azy ihany ny mofony fa tsy ho tafiditra ao an-tranon’ny TOMPO.


Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradrà, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara. Avia ianareo hialina amin’alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an-tranon’Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka.


Teo imasontsika teo no nanafoanana ny hanintsika; ary lavitry ny tranon’Andriamanitsika ny fifaliana amam-piravoravoantsika?


Angamba mety hanenina Izy ka hamela fitahiana ho anareo; dia hisy fanatitra vokatry ny tany sy fanatitra araraka azonareo atao ho Azy TOMPO Andriamanitrareo.


Aoka hitomany ao an-tempoly ireo mpisorona izay mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO! Eo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara, no aoka hanaovany izany ka hitenenany hoe: «TOMPO ô, mba iantrao ny vahoakanao, aza avela ho afa-baràka ny olonao na holatsain’ny hafa firenena hoe: ‹Aiza izay Andriamanitrareo?› »