Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joela 1:8 - DIEM PROTESTANTA

Midradradradrà ianareo, toy ny vehivavy tanora misaona noho ny amin’ny vady izay vao nampakatra azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Midradradradrà toy ny virijiny misikina lamba fisaonana noho ny amin’ny vadin’ny fahatanorany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Midradradradrà ianareo, toy ny vehivavy tanora misaona noho ny amin’ny vady izay vao nampakatra azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Midradradradrà ianao toy ny virjiny mitafy lasàka hitomany ny vadin’ny fahatanorany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Midradradradrà toy ny virijina misikin-damba fisaonana noho ny amin’ny vadin’ny fahatanorany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Midradradradrà toy ny virijina misikindamba fisaonana noho ny amin'ny vadin'ny fahatanorany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Midradradradrà toy ny virijiny misikina lamba fisaonana noho ny amin’ny vadin’ny fahatanorany.

Jereo ny toko



Joela 1:8
13 Rohy Ifampitohizana  

dia vehivavy nandao ny vadiny sy nanadino ny fifanekena izay nataony teo amin’Andriamaniny.


Tamin’izany andro izany dia niantso anareo ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao mba hitomany sy hitoloko, hanaratra volon-doha sy hitondra lamba fisaonana.


Mangovita ianareo mitoredretra matahora ianareo tsy rototra. Esory avokoa ny fitafianareo, ka lamba fisaonana no isikino.


Ankehitriny anefa ianao dia sahy miantsoantso Ahy hoe: «Ry raiko sady sakaizako fahazaza,


Misaona ny lalana mankany Tsiôna satria tsy misy miakatra amin’ny fety. Mangina avokoa ny kianjany ary sentom-pahakiviana no ataon’ny mpisorony. Ory fatratra ireo tovovaviny, ka mangidy amin’i Tsiôna izany!


havadiko ho fisaonana ny fetinareo ary ho fitomaniana ny hiram-pifalianareo; hosikinako lamba gony ianareo rehetra sady hosolako loha ka hataoko tahaka ny olona misaona zanaka lahitokana; ary ho tahaka ny androm-pahoriana mangidy no fiafaran’izany.»


Tsy efa nataon’ny TOMPO ho tena iray amin’ny vadinareo ve ianareo, ara-batana sy ara-panahy? Ary inona no tadiavin’izany tena iray izany? Moa va tsy ny hanan-taranaka araka an’Andriamanitra? Koa dia mitandrema tena ianareo, aza ilaozana ny vadin’ny fahatanoranareo.


Mihaino ahy izao ianareo mpanankarena! Mitomania sy mitolokoa noho ny loza midona aminareo.