Saingy mba niandrandra hasambarana aho, kanjo sendra ny fahoriana; ary mba nanantena ny mazava aho, kanjo sendra ny haizina.
Jeremia 8:15 - DIEM PROTESTANTA Nanantena fiadanana isika, nefa tsy nisy soa akory. Nanantena fotoam-panasitranana isika kanjo indro zava-mampihorohoro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; ary andro fanasitranana, kanjo indro fampatahorana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanantena fiadanana isika, nefa tsy nisy soa akory. Nanantena fotoam-panasitranana isika kanjo indro zava-mampihorohoro. Baiboly Katolika Nanantena fiadanana isika, nefa tsy mahita soa kely akory; sy andro fanaretana, kanjo fampitahorana no mitranga! Baiboly Protestanta Malagasy Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; Ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana. Malagasy Bible Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; Ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana. La Bible en Malgache Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; ary andro fanasitranana, kanjo indro fampatahorana. |
Saingy mba niandrandra hasambarana aho, kanjo sendra ny fahoriana; ary mba nanantena ny mazava aho, kanjo sendra ny haizina.
Eny amin’ireo havoana ngazana rehetra any an-taniefitra any no mipoitra ireo mpandroba. Hatreo amin’ny sisintany an-kilany ka hatrany amin’ny sisintany an-daniny no andripahan’ilay sabatry ny TOMPO ka tsy misy olona tsitsîny.
Tompo ô, efa narianao tokoa ve i Joda? Efa naharikoriko Anao ve i Tsiôna? Nahoana no mikapoka mafy anay Ianao ka tsy misy mahasitrana anay? Nanantena fiadanana izahay kanjo tsy nisy soa akory, ary niandrandra fotoam-pahasitranana kanjo indro zava-mahatahotra.
Dia hiteny ireny hoe: «Andray, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, namitaka ity vahoaka ity sy namitaka an’i Jerosalema Ianao tamin’ny fampanantenana hoe fa hisy fiadanana ho antsika kanjo mihatra aman’aina ity ny sabatra!»
Aza mivoaka ho any an-tsaha, aza mandeha eny an-dalam-be fa ao ny fahavalo mirongo sabatra; ka horohoro hatraiza hatraiza.
Alasafay fotsiny no nitsaboany ny fahavoazan’ny vahoakako tamin’ny nilazany hoe: «Fiadanana, fiadanana!»; kanjo tsy misy fiadanana akory.
Mangovitra ny amin’ireo tombon-tsoany ny mponina ao Marôta, satria efa nidina ho ao am-bavahadin’i Jerosalema ny loza avy tamin’ny TOMPO.
Amin’ny anaovan’ny olona hoe: «Miadana sy mandry feizay ny zavatra rehetra!», amin’iny no hamely azy tampoka ny fandringanana ka tsy ho azony andosirana mihitsy, mova tsy ny fanaintainan’ny vehivavy bevohòka mihetsi-jaza.