Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida. –Ny TOMPO no fialofako. Ahoana àry no ilazanareo amiko hoe: «Mandosira any an-tendrombohitra toy ny fanaon’ny voronkely ianao?»
Jeremia 48:9 - DIEM PROTESTANTA Anangano fasana i Môaba, satria ho rava tokoa izy. Ho lao ireo tanànany, ka tsy hisy mponina intsony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Omeo elatra i Moaba fa hanidina izy ka ho lasa; ary ho lao ny tanànany ka tsy hisy mponina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Anangano fasana i Môaba, satria ho rava tokoa izy. Ho lao ireo tanànany, ka tsy hisy mponina intsony. Baiboly Katolika Omeo elatra i Moaba, fa tokony hidina izy; horavàna ny tanànany, ka tsy hisy mponina intsony. Baiboly Protestanta Malagasy Omeo elatra Moaba, Fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànany, Ka tsy hisy mponina. Malagasy Bible Omeo elatra Moaba, fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànanay, ka tsy hisy mponina. La Bible en Malgache Omeo elatra i Moaba fa hanidina izy ka ho lasa; ary ho lao ny tanànany ka tsy hisy mponina. |
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida. –Ny TOMPO no fialofako. Ahoana àry no ilazanareo amiko hoe: «Mandosira any an-tendrombohitra toy ny fanaon’ny voronkely ianao?»
Ireo vehivavin’i Môaba dia very hevitra eo am-pitana ao Arnôna toy ny vorona mivezivezy voaroaka tao amin’ny akaniny.
Tsia, tsy lefitry ny TOMPO intsony ny fanao ratsy sy ny zavatra maharikoriko vitanareo. Noho izany, dia rava sy nampahonena ny taninareo ary tsy nisy mponina intsony, ka tonga oha-panozonana tahaka izay misy ankehitriny.
Ry mponina any Ejipta ô, mifeheza entana mba handeha any amin’ny fahababoana. Fa hodorana ny tanànan’i Memfisa, ka ho lao tsy hisy mponina intsony.
Ilaozy ny tanànanareo, ry mponin’i Môaba, ka mitoera eny amin’ny harambato. Aoka ianareo hanahaka ny voromahailala izay manao akany eny am-pitan’ny hantsana.
Koa velona AHO ary mianiana fa ho levona i Môaba sy i Hamôna, ho tahaka ny tanànan’i Sôdôma sy Gômôra ka ho kirihitra tsilo sy lava-tsira ary ho tany lao mandrakizay; ho avy handroba sy haka ny taniny ireo sisa velona amin’ny vahoakako».
Fa nomena eladroan’ny voromahery lehibe ravehivavy mba hanidinany hankany an-taniefitra, ho any amin’ny toerana izay amelomana azy mandritra ny telo taona sy tapany, ka ho voaaro amin’ny famelezan’ilay bibilava.