Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 48:5 - DIEM PROTESTANTA

Mitomany ny sisa velona miakatra ny fiakaran’i Lohita. Re hatrany am-pidinan’i Hôrônaîma ny kiakiaka ateraky ny fandringanana hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa miakatra mitomany tsy misy fiafarany eny amin’ny fiakarana Lohita izy; ary any amin’ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mitomany ny sisa velona miakatra ny fiakaran’i Lohita. Re hatrany am-pidinan’i Hôrônaîma ny kiakiaka ateraky ny fandringanana hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Eny, fa misy fitomaniana ao amin’eny fiakaran’i Loita, mitomany ny olona no miakatra eo; eny, eo amin’ny fidinan’i Hôrônaima, fitarainam-pahoriana no re.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa miakatra mitomany lalandava eny amin’ny fiakarana Lohita izy; Ary amin’ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy Noho ny fandringanana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa miakatra mitomany lalandava eny amin'ny fiakarana Lohita izy; Ary amin'ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa miakatra mitomany tsy misy fiafarany eny amin’ny fiakarana Lohita izy; ary any amin’ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.

Jereo ny toko



Jeremia 48:5
3 Rohy Ifampitohizana  

Mitaraina ny foko noho ny amin’i Môaba: tonga hatrany Tsôhara sy Heglata-Selisià ny mpandositra. Mitomany ny olona mianika ny fiakaran’i Lohita ary midradradradra mamoy fo eny an-dalana ho any Hôrônaima.


Misy feo miantso vonjy avy any Hôrônaîma: fandravana sy fandringanana goavana moa izao!


Potika i Môaba; ka hatrany Tsôhara no andrenesana ny antso vonjy ataony.