Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 42:4 - DIEM PROTESTANTA

Dia hoy i Jeremià mpaminany taminy: –Efa reko izany, koa handeha hivavaka amin’ny TOMPO Andriamanitsika aho araka izay efa nangatahanareo tamiko; avy eo dia hatoroko anareo ny valin-tenin’ny TOMPO fa tsy hisy hafeniko anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa indro, hivavaka amin’NY TOMPO Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra izay havalin’NY TOMPO anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy i Jeremià mpaminany taminy: –Efa reko izany, koa handeha hivavaka amin’ny TOMPO Andriamanitsika aho araka izay efa nangatahanareo tamiko; avy eo dia hatoroko anareo ny valin-tenin’ny TOMPO fa tsy hisy hafeniko anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy i Jeremia mpaminany, namaly azy ireo: «Dia reko izany; ka indro aho, hivavaka amin’i Iaveh Andriamanitrareo araka ny teninareo; ary hambarako aminareo avokoa, fa tsy misy hanafenako izay havalin’i Iaveh anareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin’i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra izay havalin’i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin'i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin'i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa indro, hivavaka amin’NY TOMPO Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra izay havalin’NY TOMPO anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.

Jereo ny toko



Jeremia 42:4
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny vahoakanao tafangona maro no hilazako vaovao mahafaly ny amin’ny fanafahanao. Indro tsy hangina mihitsy aho, ary fantatrao izany, ry TOMPO ô!


Raha misy mpaminany manonofy, dia aoka izy hilaza ny nofiny! Fa raha mitondra hafatra avy amiko izy, dia aoka hanambara marina ny teniko! Aoka tsy hafangaro ny mololo sy ny vary hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.


Izay tokony hifanontanianareo dia ny hoe: «Inona no navalin’ny TOMPO?» na «Inona no voalazan’ny TOMPO?»


«Izao no voalazan’ny TOMPO: mijoroa eo an-kianjan’ny tranoko ianao ary mitenena amin’ny olona rehetra mponin’ireo tanànan’i Joda ka tonga hivavaka ao. Avereno aminy avokoa ny teny nasaiko hambaranao aminy, ka aza anesorana na kely aza.


Fa avereno aminy ihany izay hambarako anao na hihaino izy na tsy hihaino noho ny di-dohany.


Fantatrareo fa tsy mba nafeniko izay mahasoa anareo, fa notorîko sy nampianariko na vory vahoaka na isan-tokantrano.


Tsy nafeniko fa notorîko taminareo avokoa ny fikasan’Andriamanitra.


Ry havana, ny irîn’ny foko sy angatahiko amin’Andriamanitra ho an’ny Jiosy dia ny hahazoany famonjena.


Fa ny amiko kosa, dia sanatriaviko ny hanota amin’ny TOMPO ka hijanona tsy hivavaka ho anareo. Ary hatoroko anareo hatrany ny lalana tsara sy mahitsy.