Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 41:3 - DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia novonoin’i Jismahela ho faty koa ireo Jodeanina rehetra hitany tao Mitsepà niaraka tamin’i Gedalià, mbamin’ireo miaramila babilônianina izay tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Novonoin’Ismaela koa ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin’i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana ary ny miaramila izay hita tao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia novonoin’i Jismahela ho faty koa ireo Jodeanina rehetra hitany tao Mitsepà niaraka tamin’i Gedalià, mbamin’ireo miaramila babilônianina izay tao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

mbamin’ny Jodeanina rehetra, izay tao aminy, dia tao amin’i Godoliasa, tao Masfà; novonoin’i Ismaely koa ny Kaldeanina sendra tao, dia ny olona mpiady.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin’i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin’Isimaela avokoa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin'i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin'Isimaela avokoa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Novonoin’Ismaela koa ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin’i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana ary ny miaramila izay hita tao.

Jereo ny toko



Jeremia 41:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo tamin’ny volana fahafiton’io taona io ihany dia tonga tao Mitsepà niaraka tamin’ny olona folo lahy i Jismahela zanakalahin’i Netanià, ka namono nahafaty an’i Gedalià mbamin’ny Jodeanina sy ny Babilônianina izay tao aminy.


Mandaitra kokoa noho ny fitaovam-piadiana ny fahendrena, saingy ny olona iray mitavozavoza no mahasimba ny soa be avy aminy.


dia nitsangana i Jismahela sy ireo folo lahy niaraka taminy, ka namely an’i Gedalià tamin’ny sabatra ary nahafaty azy; kanefa izy no voatendrin’ny mpanjakan’i Babilôna hitondra ny tany.


Roa andro taorian’ny namonoana an’i Gedalià ho faty, dia tsy mbola nisy olona nahalala izany ihany.


Mitomany foana izy amin’ny alina, mirotsa-dranomaso eny an-takolany; izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy. Nanary azy avokoa ny sakaizany, ary tonga fahavalony ankehitriny.