Rehefa tafaverina tao Hebrôna i Abinera, dia notaomin’i Jôaba hankeny am-bavahady toy ny hiresaka mangina aminy izy, kanjo notrobarany teo amin’ny kibony izy ka maty ho valin’ny nahafatesan’i Asahela rahalahiny.
Jeremia 41:2 - DIEM PROTESTANTA dia nitsangana i Jismahela sy ireo folo lahy niaraka taminy, ka namely an’i Gedalià tamin’ny sabatra ary nahafaty azy; kanefa izy no voatendrin’ny mpanjakan’i Babilôna hitondra ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitsangana Ismaela, zanak’i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana. Novonoiny ilay efa nataon’ny mpanjakan’i Babilona ho mpanapaka ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia nitsangana i Jismahela sy ireo folo lahy niaraka taminy, ka namely an’i Gedalià tamin’ny sabatra ary nahafaty azy; kanefa izy no voatendrin’ny mpanjakan’i Babilôna hitondra ny tany. Baiboly Katolika Ary nitsangana i Ismaely, zanak’i Nataniasa, mbamin’ireo olona folo lahy niaraka taminy, ary namely sabatra an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, zanak’i Safàna, ka matiny izy ilay napetraky ny mpanjakan’i Babilôna ho governora amin’ny tany, Baiboly Protestanta Malagasy Dia nitsangana Isimaela, zanak’i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, dia nahafaty ilay efa nataon’ny mpanjakan’i Babylona ho mpanapaka ny tany. Malagasy Bible Dia nitsangana Isimaela, zanak'i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nahafaty ilay efa nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany. La Bible en Malgache Dia nitsangana Ismaela, zanak’i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana. Novonoiny ilay efa nataon’ny mpanjakan’i Babilona ho mpanapaka ny tany. |
Rehefa tafaverina tao Hebrôna i Abinera, dia notaomin’i Jôaba hankeny am-bavahady toy ny hiresaka mangina aminy izy, kanjo notrobarany teo amin’ny kibony izy ka maty ho valin’ny nahafatesan’i Asahela rahalahiny.
Kanjo tamin’ny volana fahafiton’io taona io ihany dia tonga tao Mitsepà niaraka tamin’ny olona folo lahy i Jismahela zanakalahin’i Netanià, ka namono nahafaty an’i Gedalià mbamin’ny Jodeanina sy ny Babilônianina izay tao aminy.
Nanontany an’i Gedalià izy hoe: –Moa fantatrao tsara ve fa i Bahalisa, mpanjakan’ny Hamônita, dia naniraka an’i Jismahela, zanakalahin’i Netanià, hamono anao? Nefa tsy nino azy i Gedalià.
Nefa namaly an’i Jôhanàna i Gedalià ka nanao hoe: –Aza manao izany zavatra izany! Fa tsy marina izay voalazanao momba an’i Jismahela.
Ary raha mbola nihazohazo teo i Jeremià, dia hoy i Nebozaradàna taminy: «Mahazo miverina any amin’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna ianao, fa izy no voatendrin’ny mpanjakan’i Babilôna hitondra ireo tanànan’i Joda. Mipetraha miaraka aminy eo anivon’ny vahoaka, ka mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.» Dia nomen’ny lehiben’ny mpiambina vatsy sy fanomezana i Jeremià, ary navelany handeha.
Mbola nisy andia-miaramila jodeanina tavela tany an-tsaha; henon’ireo lehibeny sy ireo olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babilôna efa nanendry an’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama hitondra ny tany sy nanankina taminy ny mahantra, dia izay lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy nentina ho babo tany Babilôna.
Koa nanatona an’i Gedalià tao Mitsepà niaraka tamin’ny olom-peheziny ary ireo lehiben’andia-miaramila ireo, fa ireto avy izy: i Jismahela zanakalahin’i Netanià, i Jôhanàna sy i Jônatàna samy zanakalahin’i Karea, i Seraià zanakalahin’i Tanehometa, ireo zanakalahin’i Hôfay avy any Netôfà, ary i Jazanià avy any Mahekà.
Avy eo dia novonoin’i Jismahela ho faty koa ireo Jodeanina rehetra hitany tao Mitsepà niaraka tamin’i Gedalià, mbamin’ireo miaramila babilônianina izay tao.
Tsy ho anareo rehetra no itenenako, satria fantatro izay nofidiko; kanefa aoka ho tanteraka ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ilay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.»