Mandra-pahoviana no hisaona ny tany ary ho maina ny ahitra eny an-tsaha rehetra eny? Ringana avokoa ny biby sy ny voromanidina noho ny faharatsian’ny mponina eo amin’ny tany, satria hoy izy hoe: «Tsy mahita izay ataontsika Andriamanitra.»
Jeremia 4:25 - DIEM PROTESTANTA Nojereko ka tsy nisy olona intsony fa lasa mbamin’ny voronkely rehetra aza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nojereko ka indro, tsy nisy olona, ary efa nandositra ny voromanidina rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nojereko ka tsy nisy olona intsony fa lasa mbamin’ny voronkely rehetra aza. Baiboly Katolika Mijery aho, ka indro ny olona tsy nisy teo; ary ny voromanidina rehetra efa nandositra. Baiboly Protestanta Malagasy Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, Ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra; Malagasy Bible Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra; La Bible en Malgache Nojereko ka indro, tsy nisy olona, ary efa nandositra ny voromanidina rehetra. |
Mandra-pahoviana no hisaona ny tany ary ho maina ny ahitra eny an-tsaha rehetra eny? Ringana avokoa ny biby sy ny voromanidina noho ny faharatsian’ny mponina eo amin’ny tany, satria hoy izy hoe: «Tsy mahita izay ataontsika Andriamanitra.»
Dia hoy ny Tompo hoe: «Hataoko korontam-bato i Jerosalema, ka ho fonenan’ny amboadia; ary ireo tanànan’i Joda hataoko lao tsy misy mponina.»
Noho ny amin’ny tendrombohitra no hitomaniako sy hitarainako, ary noho ny amin’ny kijana any an-taniefitra no hanaovako hira fisaonana, satria voadoro avokoa izy rehetra ka tsy andalovan’olona intsony. Tsy re any intsony ny fitrenan’ny andian’omby; ary samy lasa nandositra avokoa ny voro-manidina sy ny bibidia.
Koa na ny trondro any an-dranomasina na ny voro-manidina na ny bibidia na ny bibikely isan-karazany mihetsiketsika amin’ny tany na ny olombelona rehetra eny ambonin’ny tany dia samy hangorohoro eo anatrehako. Ny tendrombohitra hietry, ny harana hikoa ary ny manda hirodana.
Noho izany, fadiranovana ny tany; reraka ny mponina rehetra ao mbamin’ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina; ary na ny trondron-dranomasina aza dia ringana koa.»