Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 4:23 - DIEM PROTESTANTA

Nojereko ny tany, ka indro foana sady tsy nisy endrika, ary ny lanitra tsy nisy fahazavana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nojereko ny tany ka indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, indro, tsy teo intsony ny fahazavany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nojereko ny tany, ka indro foana sady tsy nisy endrika, ary ny lanitra tsy nisy fahazavana.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Mijery ny tany aho, ka inty izy tsy misy endrika sady foana; nijery ny lanitra aho, ka tsy nanam-pahazavana intsony izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, Ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nojereko ny tany ka indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, indro, tsy teo intsony ny fahazavany.

Jereo ny toko



Jeremia 4:23
19 Rohy Ifampitohizana  

dia tsy nisy endriny sady foana ny tany fa ny haizina no nandrakotra ny lalina, ary ny Fanahin’Andriamanitra no nanomba tambonin’ny rano.


Ny kintana eny an-danitra, na ny telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavàny intsony; vao miposaka ny masoandro dia ho maizina, ary ny volana tsy handefa ny tarany intsony.


Kanefa indray andro any, dia hisy varatra hiraondraona toy ny firohondrohon’ny ranomasina mba hamely io firenena io. Hijery izany tany izany ny olona ka tsy hahita afa-tsy haizim-pahoriana; fa hohamaizinin’ny zavona matevina ny fahazavan’ny andro.


Koa aoka ho gaga ianareo any an-danitra ka samia raiki-tahotra sy mangorohoro; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Dia hoy ny Tompo hoe: «Hataoko korontam-bato i Jerosalema, ka ho fonenan’ny amboadia; ary ireo tanànan’i Joda hataoko lao tsy misy mponina.»


Notarihiny aho, ka nampandehaniny tamin’ny maizina fa tsy tamin’ny mazava.


Eo anoloany dia mihorohoro ny tany, mipararetra ny lanitra, mihamaizina ny masoandro sy ny volana ary tsy mamiratra intsony ny kintana.


Ny Tompo ANDRIANANAHARY dia manao teny hentitra hoe: «Izao no hiseho amin’izany andro izany: halentiko mitatao vovonana ny masoandro ary hohamaiziniko antoandro ny tany;


Amin’izany andro izany dia tsy hilaina intsony ny fahazavan’ny masoandro; tsy hisy intsony koa na ny hatsiaka na ny fanala.


Raha vao afaka ny fijaliana amin’ireo andro ireo, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana, hiraraka avy eny amin’ny habakabaka ny kintana ary ho voahozongozona ny herin’ny habakabaka.


Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.


Dia hitako ity sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany amana habakabaka dia nandositra teo anatrehany, ka tsy hita intsony izay toerana nisy azy.