Fa araka ny efa nambaran’ny TOMPO dia nentin’i Nebokadnetsara ny zava-tsarobidy rehetra tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka, ary novakiny avokoa ny fanaka rehetra volamena izay nataon’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tempolin’ny TOMPO.
Jeremia 27:16 - DIEM PROTESTANTA Farany dia ireo mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo no nitenenan’i Jeremià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany izay milaza aminareo fa haverina haingana avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’ny TOMPO, satria lainga izay nambarany taminareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo izay maminany aminareo hoe: Efa hampodina haingana avy any Babilona izao ny fanaky ny tranon’NY TOMPO! Fa lainga no ambarany aminareo ho faminaniana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Farany dia ireo mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo no nitenenan’i Jeremià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany izay milaza aminareo fa haverina haingana avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’ny TOMPO, satria lainga izay nambarany taminareo. Baiboly Katolika Ary ny mpisorona mbamin’io vahoaka rehetra io dia nitenenako toy izao: Izao no tenin’i Iaveh: Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminaninareo, izay maminany aminareo manao hoe: Indro fa vetivety foana, dia hampodina avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’i Iaveh, fa lainga no vinanìny aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo, izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon’i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo. Malagasy Bible Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminaninareo. izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon'i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo. La Bible en Malgache Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo izay maminany aminareo hoe: Efa hampodina haingana avy any Babilona izao ny fanaky ny tranon’NY TOMPO! Fa lainga no ambarany aminareo ho faminaniana. |
Fa araka ny efa nambaran’ny TOMPO dia nentin’i Nebokadnetsara ny zava-tsarobidy rehetra tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka, ary novakiny avokoa ny fanaka rehetra volamena izay nataon’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tempolin’ny TOMPO.
Ny mpitarika ity firenena ity dia tsy nanao afa-tsy ny nampivoana azy, ka izay rehetra notarihiny dia nandeha tamin’ny lalan-tsiizy avokoa.
Fa maminany lainga aminareo izy; koa raha mihaino azy ianareo, dia hoentina hanalavitra ny taninareo. Eny, horoahiko hiala eto ianareo ka ho lany ringana.
Misy mpaminany mihambo milaza fa tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilôna intsony ianareo. Maminany lainga izy, ka aza mihaino azy ianareo.
Ka alohan’ny roa taona manomboka androany, dia haveriko eto ireo fanaka rehetra tato an-tranoko, fanaka izay nalain’i Nebokadnetsara mpanjaka ka nentiny tany Babilôna.
Dia natolotry ny Tompo teo an-tanany i Jôiakima mpanjakan’i Joda ary ny ampahan’ireo fanaka tao an-tranon’Andriamanitra. Nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilônia ireo olona babo; ny fanaka kosa nentiny ho ao an-tempolin’ireo andriamaniny ary napetrany tao amin’ny efitrano firaketan’io tempoly io.