Jeremia 24:6 - DIEM PROTESTANTA Fa hojereko am-pitiavana izy ka hampodîko amin’ity tany ity. Haoriko indray izy ka tsy horavako intsony, hamboleko indray ka tsy hongotako intsony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hotsinjovin’ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin’ity tany ity; haoriko izy fa tsy horavako; hamboleko izy fa tsy hongotako. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hojereko am-pitiavana izy ka hampodîko amin’ity tany ity. Haoriko indray izy ka tsy horavako intsony, hamboleko indray ka tsy hongotako intsony. Baiboly Katolika Hitsinjo azy ireo ny masoko hanasoa azy, ka hampodiko ho amin’ity tany ity; haoriko izy, ka tsy horavako intsony; hamboleko izy, ka tsy hongotako intsony. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hojeren’ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin’ity tany ity; ary haoriko izy, fa tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako. Malagasy Bible Fa hojeren'ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin'ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako. La Bible en Malgache Fa hotsinjovin’ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin’ity tany ity; haoriko izy fa tsy horavako; hamboleko izy fa tsy hongotako. |
Fa manopy maso ny tany tontolo ny TOMPO mba hanohana izay miraiki-po tanteraka aminy. Adala ianao tamin’io fihetsikao io, ka dia hisy ady hihatra aminao manomboka izao.
«Mba tsarovy hanasoavana ahy, ry Andriamanitra ô, izay rehetra nataoko ho an’ity firenena ity!»
Andriamanitra ô, ny sofinay no nandre ny razanay no nitantara taminay ireo zava-bitanao fahiny tamin’ny andro fahavelony.
Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.
Ny vahoakanao rehetra hanjary olo-marina ka hanana ny tany ho fananany mandrakizay. Noforonin’ny tanako haneho ny famirapiratako izy ka ho toy ny voly mandrobona eo amin’ny sahako.
Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly.
Nefa rehefa voaongotro izy, dia hamindrako fo indray ka samy haveriko ao amin’ny anjara fananany ao amin’ny taniny avy.
fa hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita avy any amin’ny tany avaratra sy avy any amin’ny tany hafa rehetra izay nandroahany azy, ka mianiana aho!› Eny, haveriko eo amin’ny taniny izay efa nomeko ny razany izy.»
Fa tsy ny hitondra soa amin’ity tanàna ity no kendreko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, fa ny hitondra loza aminy; hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna izy hodorany amin’ny afo.»
«Koa Izaho ihany no hanangona ireo andian’ondry sisa velona avy any amin’ny tany rehetra izay nanapariahako azy. Haveriko ao amin’ny saha firaofany izy ka hitombo sy hihamaro.
«Izao koa no lazain’ny TOMPO: ‹Rehefa naharitra fitopolo taona ny fanjakan’i Babilôna, dia hirotsaka an-tsehatra Aho noho ny aminareo; ka hotanterahiko ny soa nampantenaiko anareo: haveriko eto Jerosalema ianareo.
Mandraka ankehitriny dia nilofo namely azy Aho, mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanisy ratsy azy. Fa izao kosa hilofo hanasoa azy Aho mba hanarina sy hampiorina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Haoriko indray ianao, ry Israely mamiko, ka ho voaorina; hiravahanao indray ny ampongatapakao hanentananao ireo mpandihy mitotorebika.
Indro ny mponin’ity tanàna ity fa hangoniko avy any amin’ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin’ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo.
Hahafaly Ahy ny hanasoa azy, ka amin’ny foko sy fanahiko manontolo no hampiorenako azy tanteraka amin’ity tany ity.
Ary hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran’i Jerosalema, ka ho voninahitro sy haingoko eo imason’ny firenen-kafa rehetra ambonin’ny tany izy. Ary rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin’i Jerosalema, ireo firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny fiadanam-be izay hataoko aminy.»
«Ndeha alaovy izy, ary tandremo tsara mba tsy hisy hanisy ratsy azy, fa ataovy izay angatahany aminao!»
«Raha hiverina hipetraka ao amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko indray ny vahoakanareo fa tsy horavako intsony; hamboleko indray ianareo fa tsy hongotako, ary hanenenako ny loza izay efa namelezako anareo.
«Fa halaiko avy any amin’ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo.
Haveriko avy amin’ny fahababoana ny Israely vahoakako, ka ireo tanàna efa rava hatsangany sy honenany indray. Hamboly voaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy, ary hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra avy aminy.
tany izay voakarakaran’ny TOMPO Andriamanitrareo sady tsinjovin’ny masony mandrakariva hatreo amin’ny fiandohan’ny taona ka hatrany amin’ny fiafaràny.
satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina sy mihaino ny fitarainany, fa tezitra kosa amin’ny mpanao ratsy.»