Jeremia 10:23 - DIEM PROTESTANTA TOMPO ô, fantatrao fa ny olombelona tsy mahafehy ny lalany, ary ny mpivahiny tsy mahalamin-dia. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 TOMPO ô, fantatro fa tsy miankina amin’ny olombelona ny lalan-kalehany, ary tsy miankina amin’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara TOMPO ô, fantatrao fa ny olombelona tsy mahafehy ny lalany, ary ny mpivahiny tsy mahalamin-dia. Baiboly Katolika Fantatro, ry Iaveh ô, fa tsy ny olombelona ny tompon’ny lalany, tsy mba an’ny olona mandeha, ny manitsy ny diany. Baiboly Protestanta Malagasy Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, Na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany. Malagasy Bible Jehovah ô, fantatro fa tsy an'ny olombelona ny lalan-kalehany, na an'ny mpandeha ny hahalavorary ny diany La Bible en Malgache TOMPO ô, fantatro fa tsy miankina amin’ny olombelona ny lalan-kalehany, ary tsy miankina amin’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany. |
Rehefa mahafaly ny TOMPO ny fitondrantenan’olona iray, dia Izy no hampahery azy eo amin’ny lalan-kalehany;
Ny TOMPO no mampahery ny olona eo amin’ny lalan-kalehany; fa ahoana moa no hahalalan’olombelona ny hombany?
TOMPO ô, toroanao lala-mahitsy ny olo-marina; ary tsy miolikolika ny lalana soritanao ho azy.
Fa nihantsy ny Tompon’ny lanitra ianao, raha nampaka ny tsatokaty voababo tao an-tempoliny ho eo anatrehanao; ka ny tenanao sy ny olo-manan-kajanao ary ireo vadinao mbamin’ny vaditsindranonao no nisotro divay taminy. Nankalazainao ireo andriamanitra volafotsy sy volamena, halimo sy vy ary vato aman-kazo izay tsy mahita na mandre na mahalala akory, fa ilay Andriamanitra Izay mihazona ny ainao sy miahy ny lalanao rehetra kosa tsy mba nomenao voninahitra.