Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 10:17 - DIEM PROTESTANTA

Angòny hiala teo ny entanao, ry Jerosalema voafahirano.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Angony ny korontan’entanao hiala amin’ny tany, ry ilay mipetraka anatin’ny fahirano!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Angòny hiala teo ny entanao, ry Jerosalema voafahirano.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Angony ny entanao amin’ny tany, ry ilay afahirano!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Angony ny korontan’entanao, ka ento hiala amin’ny tany, Ry ilay mipetraka ao amin’ny haterena!

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Angony ny korontan'entanao, ka ento hiala amin'ny tany, ry ilay mipetraka ao amin'ny haterena!

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Angony ny korontan’entanao hiala amin’ny tany, ry ilay mipetraka anatin’ny fahirano!

Jereo ny toko



Jeremia 10:17
6 Rohy Ifampitohizana  

Indro avy hamely anareo Aho ry mponina erỳ ambanimbany, eo amin’ny vatolampy milembalemba, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; hamely anareo Aho, dia ianareo izay mihambo fa tsy misy fahavalo afa-midina hatreny aminareo na hiditra amin’ny fisitrihanareo.


Mandosira faingana hiala ao Jerosalema, ianareo Benjaminita, mba hitady fialofana any an-kafa. Tsofy ao Tekôa ny anjomara, manaova tsangan’afo ao Bety-Kerèma, satria misy loza sy fandringanana goavana mipoitra avy any avaratra.


Mitsangàna ka mialà, fa tsy misy fitsaharana ho anareo intsony eto. Satria ny fahalotoanareo hahatonga fandringanana, dia fandringanana mahatsiravina.»


–Ho hitanareo tafajoro ao amin’ny Toeramasina ilay fanimbazimbana mahatsiravina, voalazan’i Daniela mpaminanin’Andriamanitra. (Aoka hahazo tsara izay mamaky!)


Hataony fahirano ianareo, any amin’ny tanàna rehetra misy anareo eran’ny taninareo, mandra-pandravany ny manda avo sy mafy izay itokianareo; eny, hataony fahirano ianareo, any amin’ny tanàna rehetra misy anareo, eran’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.