dia tsy mbola nisy kirihitra ny tany, ary tsy nisy ahitra nitsimoka akory, satria tsy mbola nampilatsaka orana tamin’ny tany ny TOMPO Andriamanitra ary tsy mbola nisy olombelona hiasa ny tany.
Jeremia 10:13 - DIEM PROTESTANTA Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy any am-paravodilanitra, ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy dia mampiakatra rahona avy any amin’ny faran’ny tany; manao ny tselatra ho amin’ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny trano fitahirizany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy any am-paravodilanitra, ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany. Baiboly Katolika Raha miteny Izy, dia miangona eny an-danitra ny rano; mampiakatra ny rahona, avy any amin’ny faran’ny tany; mampanjelatra ny helatra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra; ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fitahirizany. Baiboly Protestanta Malagasy Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, Dia mampiakatra fofona avy any amin’ny faran’ny tany; Manao ny helatra ho amin’ny ranonorana Izy Sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny firaketany. Malagasy Bible Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho amin'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany. La Bible en Malgache Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy dia mampiakatra rahona avy any amin’ny faran’ny tany; manao ny tselatra ho amin’ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny trano fitahirizany. |
dia tsy mbola nisy kirihitra ny tany, ary tsy nisy ahitra nitsimoka akory, satria tsy mbola nampilatsaka orana tamin’ny tany ny TOMPO Andriamanitra ary tsy mbola nisy olombelona hiasa ny tany.
Hoy i Elià tamin’i Ahaba: –Andeha mihinana sy misotro fa efa reko ny fivatravatran’ny orambe.
Efa notsidihinao ve ny fitehirizana ny orampanala ary efa hitanao ve ny fanangonana ny havandra,
Avy any an-danitra fonenanao any no andefasanao orana amin’ny tendrombohitra; ka dia ny ranon’ny lanitrao no mampahavokatra ny tany.
Nampiakatra rahona avy any am-paran’ny tany Izy, ka nanao helatra narahin-dranonorana ary namoaka ny rivotra avy tamin’ny fitahirizany azy.
Izy no manaron-drahona ny lanitra manomana orana ho an’ny tany, mampitsiry ahitra ny tanety, mamokatra anana ho an’ny olona,
Manoloana Azy nisy hazavam-be ary koa rahona nandalo nifanesy niteraka havandra sy afo mitselatra.
Ianareo fanjakana eto an-tany, mihirà ho fanajana an’Andriamanitra; miredòna salamo ho an’ny Tompo, Fiatoana
Natsangan’i Mosesy nanondro lanitra ny tehiny, dia nampisy kotrokorana sy havandra ny TOMPO: nilatsaka ny varatra, ary nampirotsaka havandra tamin’ny tany Ejipta ny TOMPO.
Moa misy mahalatsaka orana ve ny sampin’ireo firenen-kafa? Moa ny lanitra va mampirotsaka oram-baratra fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray? Koa mitoky aminao izahay satria Ianao no manao ireo rehetra ireo.
Koa ho tahaka izay nanjo an’i Tôfeta no hataoko amin’ity tanàna ity sy ny mponina ao aminy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
fa tsy mba miteny anakampo hoe: «Aoka hananantsika fanajana ny TOMPO Andriamanitsika, fa Izy no nanome antsika ny orana amin’ny fotoany, dia ny oram-pararano sy ny oran-dohataona ka mitahiry ho antsika ireo herinandro izay voatendry ho fotoam-pijinjana.»
Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy eny am-paravodilanitra, ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany.
Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra sy mpahary ny rivotra, Izy no manambara amin’ny olombelona ny fikasany, mahatonga ny maraina ho haizina sady mandeha eny am-paratampon’ny tany: Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao no anarany.
Mangataha amin’ny Tompo handefasany ranonoran-dohataona fa Izy no manao ny oram-baratra; dia homeny oram-be mivatravatra ianareo ary samy hataony maitso mavana ny sahanareo