Koa raha tonga ny andro mahory, dia hafeniny ao an’efitra fialofany aho sy hampiereny tokoa ao an-dainy; eny, hasandrany ambony vatolampy aho.
Isaia 4:6 - DIEM PROTESTANTA ho toy ny tranotomboka hanalokaloka amin’ny hainandro ary hialofana sy hierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hisy tranolay ho fialokalofana amin’ny hainandro raha antoandro sady ho fialofana sy fierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ho toy ny tranotomboka hanalokaloka amin’ny hainandro ary hialofana sy hierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana. Baiboly Katolika fa hisy lay mba hanalokaloka, amin’ny fidaindainan’ny andro, ary ho fandosirana sy fialofana, amin’ny ranonoram-baratra sy ny ranonorana. Baiboly Protestanta Malagasy Ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin’ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana. Malagasy Bible Ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin'ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin'ny tafio-drivotra sy ny ranonorana. La Bible en Malgache Hisy tranolay ho fialokalofana amin’ny hainandro raha antoandro sady ho fialofana sy fierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana. |
Koa raha tonga ny andro mahory, dia hafeniny ao an’efitra fialofany aho sy hampiereny tokoa ao an-dainy; eny, hasandrany ambony vatolampy aho.
Izay mipetraka ao amin’ny fialofan’ilay Avo Indrindra dia mitoetra eo ambany fiarovan’Andriamanitra Tsitoha,
Koa inona no havaly ireo iraky ny Filistinina? –Izao ihany: Ny TOMPO no nanorina an’i Tsiôna ary ao no hialofan’ireo mahantra amin’ny vahoakany.
Fa Ianao tokoa no fiarovana mafy ho an’ny osa; eny, fiarovana mafy ho an’ny malahelo Ianao amin’ny andro mampahory azy ireny. Fialofana amin’ny orana Ianao sady alokaloka amin’ny hainandro, satria ny fisafoaky ny mpanjakazaka dia toy ny oram-batravatra hamely tamboho
Hataon’ny TOMPO re tokoa ny feony heni-piandrianana ary hataony hita ny fiantraikan’ny tanany mamely, rehefa mirehitra ny fahatezerany eo anivon’ny firedaredan’ny lelafo mandevona ary ao anatin’ny ranonoram-baratra sy ny havandra vaventy mifafy.
Indro hisy mpanjaka iray hanjaka araka ny rariny; ary ny mpanapaka hanapaka araka ny hitsiny.
Samy toy ny fierena amin’ny tafio-drivotra izy samy toy ny fialofana amin’ny oram-baratra, samy toy ny sakeli-drano amin’ny tany karankaina ary toy ny aloky ny harambato amin’ny tany ngazana.
Toeramasina tsy azo zimbazimbaina ny Tompo, ka ho vato mahasolafaka sy vatolampy mampianjera Izy, ho an’ny fanjakana roa eto Israely; ary maro no hianjera eo ka ho lavo sy ho mongomongo. Ho harato sy fandrika ny Tompo ho an’ny mponina ao Jerosalema; ary maro no ho voafandrika eo ka tsy ho afa-mitsoaka.
Noho izany, ambarao amin’ireo namanao babo fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Na dia nalefako any an-tany lavitra sy naeliko any anivon’ny firenen-kafa aza ianareo, dia manatrika anareo Aho tahaka ny ao amin’ny Toeramasina ihany.»
Finoana no nanoavan’i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan’i Noà an’izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoany.
ireo zavatra anankiroa ireo dia tsy azo ovàna sady tsy hain’Andriamanitra andaingana. Noho izany, isika izay mitady fiarovana ao amin’Andriamanitra dia mahazo fampirisihana mafy hitana tsara ny fanantenana natolotra antsika.
Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana.