Feno 12 taona i Manase fony tonga mpanjaka; ary naharitra 55 taona no nanjakany tao Jerosalema.
Isaia 3:4 - DIEM PROTESTANTA Ka hoy ny Tompo hoe: «Ankizy no hotendreko ho lehibeny ka hitondra azy araka ny haitraitrany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hanendry ankizilahy ho lehibeny Aho, ary haitraitran-jaza no hitondran’ireo azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy ny Tompo hoe: «Ankizy no hotendreko ho lehibeny ka hitondra azy araka ny haitraitrany.» Baiboly Katolika «dia zatovolahy no apetrako ho lehiben’izy ireo, ary ankizy no hanapaka azy.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy. Malagasy Bible Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy. La Bible en Malgache Hanendry ankizilahy ho lehibeny Aho, ary haitraitran-jaza no hitondran’ireo azy. |
Feno 12 taona i Manase fony tonga mpanjaka; ary naharitra 55 taona no nanjakany tao Jerosalema.
Feno valo taona i Jôsià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 31 taona no nanjakany tao Jerosalema.
Feno 21 taona i Tsedekià fony tonga mpanjaka; ary naharitra iraika ambin’ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema.
Feno 23 taona i Jôahaza fony tonga mpanjaka; ary telo volana ihany no nanjakany tao Jerosalema.
Feno 25 taona i Jôiakima fony tonga mpanjaka; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO Andriamaniny izy.
Feno 18 taona i Jôiakîna, fony tonga mpanjaka; ary telo volana sy folo andro ihany no nanjakany tao Jerosalema, sady nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy.
Mampalahelo ny tany izay manana mpanjaka mbola tanora fanahy sy mpitondra tendan-kanina vao maraina.
Ry vahoakako ô, hoy ny Tompo, olona mpanjakazaka anao no mampahory anao ary olona tsy miraharaha anao no manapaka anao; ry vahoakako ô, ireo mpitondra anao no nampivily anao ka làlan-tsiizy no nitondrany anao.
Hoy koa ny TOMPO hoe: «Miandranandrana erỳ ny andriambavilanitr’i Tsiôna, mianjonanjona aoka izany rehefa mamindra, mianjola fijery sady mitsingintsingim-pandeha, mampikorintsana ny haba amin’ny hato-tongony.»
ny manamboninahitra sy ny olo-manan-kaja, ny mpanolotsaina mbamin’ny manampahaizana, ary ireo havanana amin’ny fanaovana vorika.
Fa ny fahatezeran’ny TOMPO no nahatonga izany loza izany tamin’i Jerosalema sy tamin’i Joda, ka niafara tamin’ny fandroahany an’ireo Jodeanina hiala teo anatrehany. Ary nikomy tamin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià.