Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 26:6 - DIEM PROTESTANTA

mba hohitsahin’ny mahantra sy ny malemy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hitsahin’ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ny mahantra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

mba hohitsahin’ny mahantra sy ny malemy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ka voahosihosin’ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ambany toerana sy ny dian’ny ory.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hitsahin’ny tongotra izy, Dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ny mahantra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hitsahin'ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian'ny mahantra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hitsahin’ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ny mahantra.

Jereo ny toko



Isaia 26:6
21 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy izy taminy: –Azerao avy eny io vehivavy io! Dia natosiny avy eny am-baravarankely i Jezebela ka nianjera, ary nifantsitsitra tamin’ny rindrina sy ny soavaly ny rany; ka dia nohitsahin’i Jehò tamin’ny kalesiny izy.


fa hitsara ny malahelo ara-drariny ary hamoaka didy araka ny hitsiny ho an’ny mahantra eo amin’ny tany. Ny teniny no toy ny tsorakazo hikapohany ny tany ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny olon-dratsy.


Fa hipetraka amin’ity tendrombohitra ity ny tanam-piarovan’ny TOMPO!» Fa i Môaba kosa hohosihosena eo amin’ny toerany toy ny fanosihosy mololo ao am-pahitra tondra-drano.


Dia ho voahitsakitsaka am-paladia ilay tanàna miendrika satroboninahitra, sady reharehan’ny mpidoroka ao Efraîma.


Ny malahelo hiravoravo amin’ny TOMPO hatrany, ary ny mahantra ho dibo-kafaliana noho ny amin’Ilay Masin’i Israely.


Hampandaloviny fitsarana ireo loholona sy lehiben’ny vahoakany: «Ianareo no nanimba ny voaloboka; ary izay nalainareo tamin’ny mahantra no namenoanareo ny tranonareo.


Ahoana moa no ahazoanareo mampahory ny vahoakako sy manosihosy ny fahamendrehan’ny mahantra? Izany no teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.»


Izaho no efa nihady vovo fantsakana sy nisotro ny ranon’ny firenen-kafa; ary horitiko ny sakeli-drano rehetra any Ejipta raha vao migadona any ny faladiako!›


Hanatona hiondrika eo anatrehanao ireo olona nampahory anao, ary handohalika eo am-paladianao ireo rehetra naneso anao ka hiantso anao hoe: «Tanànan’ny TOMPO» «I Tsiôna-n’ilay Masin’i Israely.»


Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Babilôna sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponin’i Babilônia. Ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra! Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.


Ny fahefà-manjaka sy ny fiandrianana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana rehetra eny ambanin’ny lanitra dia homena ny vahoakan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra; ka ny fahefà-manjakan’io vahoaka io dia haharitra mandrakizay ary ny fiandrianana rehetra dia hanompo sy hankato azy.


«Amin’izany andro izany, ry vahoakako, dia tsy ho menatra intsony ianao tamin’izay ratsy rehetra nataonao ka nanotanao tamiko. Hoesoriko tsy ho eo aminao ny mpirehareha rehetra ary tsy hiavonavona intsony ianao eo an-tendrombohitro masina.


Indro ianareo efa nomeko fahefana hanitsaka bibilava sy maingoka sady hanamontsana ny hery rehetra ananan’ny fahavalo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.


Ilay Andriamanitra loharanon’ny fiadanana kosa hanorotoro faingana an’i Satàna eo ambany tongotrareo! Homba anareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompontsika!


Mba mijere tena ange ianareo izay voaantson’Andriamanitra, ry havako: araka ny maha olombelona, dia tsy misy firy ianareo no olon-kendry, tsy misy firy no mahery, tsy misy firy no avo razana.


Mihainoa, ry havako malala: ireo mahantra eto amin’izao tontolo izao no efa nofidin’Andriamanitra, mba hanan-karena amin’ny finoana ka handray ny Fanjakana izay nampanantenainy homena ireo tia Azy.


Ary nony naseho teo anatrehan’i Josoa ireo mpanjaka ireo, dia namory ny lehilahy israelita rehetra i Josoa ka niteny tamin’ny mpitari-tafika niara-nikatroka taminy nanao hoe: –Manatona ianareo, ka hitsaho ny vozon’ireo mpanjaka ireo. Dia nanatona izy ka nanitsaka ny vozon’ireo mpanjaka ireo.


«Izay maharesy ka mitandrina ny hanao ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana toy izay efa noraisiko tamin’ny Raiko: homeko fahefana amin’ny firenena izy, ka hifehy azy amin’ny tehim-by ary hanorotoro azy toy ny vilany tany. Homeko an’izay maharesy koa ny kintana fitarikandro.


Indro atolotro anao ny sasany avy amin’ireo olona mivavaka amin’i Satàna: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao.