Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 2:4 - DIEM PROTESTANTA

Hitsara ny firenena maro Izy, ary hampanaiky ny vahoaka rehetra ka hanefy ny sabany ho angady ireny, ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka sady tsy hianatra hiady intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ho mpitsara ny firenena Izy ka ho mpanelanelana amin’ny firenena maro. Dia hanefy ny sabany ho angady ireny, ary ny lefony ho hetim-boaloboka; ny firenena dia tsy hanainga sabatra hamely firenena hafa na hianatra ady intsony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hitsara ny firenena maro Izy, ary hampanaiky ny vahoaka rehetra ka hanefy ny sabany ho angady ireny, ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka sady tsy hianatra hiady intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy, ary ho mpitsara ny firenena maro. Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hitsara ny adin’ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hitsara ny adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ho mpitsara ny firenena Izy ka ho mpanelanelana amin’ny firenena maro. Dia hanefy ny sabany ho angady ireny, ary ny lefony ho hetim-boaloboka; ny firenena dia tsy hanainga sabatra hamely firenena hafa na hianatra ady intsony.

Jereo ny toko



Isaia 2:4
26 Rohy Ifampitohizana  

Hampiharany famaizana ireo firenena ka hataony feno faty ny toeram-piadiana; filoha maro no haripany manerana ny tany.


ny ady ampitsahariny hatrany am-paran’ny tany, ny tsipîka sy ny lefona tapatapahiny, ary ny ampinga ataony kilan’ny afo.


Tongava hizaha ny asa vitan’ny TOMPO, dia ny zava-mampitolagaga nataony teto an-tany:


Andriamanitra ô, mijoroa hitsara ny tany fa Ianao no tompon’ny firenen-drehetra.


mba hitsena ny TOMPO satria tamy Izy: eny, tamy Izy mba hifehy ny tany; dia hifehy ny tontolo araka ny rariny Izy ary hifehy ny firenena araka ny hitsiny.


Fiadanana no ho vokatry ny hitsiny; ary filaminana sy fandriampahalemana no haterany hatrany hatrany.


Ny vahoakako hitoetra ao amin’ny faritra miadana, ao amin’ny fonenana misy fandriampahalemana sy ao amin’ny fialan-tsasatra feno fitoniana.


Ny TOMPO no ho mpitarika antsika, IZY no ho mpanao lalàna ho antsika; ny TOMPO no ho mpanjakantsika sy ho mpamonjy antsika.


Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.


Tsy hotapahiny ny volotara folaka, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona fa hamoaka ny lamina ara-drariny tokoa izy.


Satria misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; eny an-tsorony ny mari-piandrianany, ary ny anaram-boninahiny dia hatao hoe: Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andriana mitondra ny fiadanana.


Namoaka didim-pitsarana ny Tompo ho fanoherana ny taranak’i Jakôba, ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.


Rehefa mby amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ilay Israely reninareo dia hiantso Ahy hoe «vadiko» fa tsy hoe «Bahalako na tompoko» intsony.


Koa amin’izany andro izany, dia hanao fanekempihavanana ho an’ny vahoakako Aho, dia amin’ny biby eny an-tsaha, amin’ny voromanidina, amin’ny biby mandady; hofoanako tsy hisy amin’ny tany intsony ny tsipîka sy ny sabatra ary ny ady, ka dia hataoko mandry feizay ny mponiny.


Hitsara eo anivon’ny firenena maro Izy ary handresy lahatra ny firenena matanjaka, na ny akaiky na ny lavitra. Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho antsy fijinjana. Tsy hifamely amin’ny sabatra ny asany firenena, ary tsy hianatra ady intsony.


Hofoanany tsy ho ao Efraîma intsony ny kalesy ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady Hopotehiny ny tsipîkan’ady ary hilaza fiadanana amin’ny firenena Izy. Ny fifehezany dia hatreo amin’ny ranomasina iray ka hatrany amin’ny ranomasina iray hafa, ary hatreo amin’ny onin’i Eofrata ka hatrany am-paran’ny tany.


Nisy manko andro anankiray natao hitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao araka ny rariny, amin’ny alalan’ny lehilahy anankiray efa voatendriny; ary ny nananganany Azy ho velona avy any amin’ny maty no nataony porofon’izany ho an’ny olona rehetra!


Dia nahita ny lanitra voasokatra aho, ka indro nisy soavaly fotsy niseho. Ilay mitaingina azy dia atao hoe Imahatoky sy Imahitsy. Ara-drariny no itsarany sy iadiany.


Homontsanin’ny TOMPO ireo fahavalony; fa kotrokorana avy any an-danitra no indro hamelezany azy ireny, satria IZY no hitsara ny tany tontolo. Hanome hery ny mpanjakan’ny vahoakany Izy ary hampitombo fahefana an’ilay Mesiany.