Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 13:4 - DIEM PROTESTANTA

Henoy izany horakoraka any an-tendrombohitra fa toy ny feon’ny vahoaka marobe. Henoy izany fitabatabana ataon’ny fanjakana sy firenena maro tafavory: ny TOMPOn’izao rehetra izao no misafo ny andian-tafika hiady.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Injany ny horakoraka any an-tendrombohitra! Tahaka ny an’ny vahoaka marobe! Ny tabataba ataon’ireo fanjakana, ireo firenena maro tafatambatra! Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no misafo tafika hiady.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Henoy izany horakoraka any an-tendrombohitra fa toy ny feon’ny vahoaka marobe. Henoy izany fitabatabana ataon’ny fanjakana sy firenena maro tafavory: ny TOMPOn’izao rehetra izao no misafo ny andian-tafika hiady.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Injany re ny horakoraka any an-tendrombohitra, toa hahohahom-bahoaka be; injany re ny tabataban’ny fanjakana, ny firenena tafavory: i Iavehn’ny tafika izany mampanao matso ireo miaramilany mpiantafika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, Tahaka ny an’ny vahoaka be! Dia ny fitabataban’ny fanjakan’ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon’ny maro, no manomana miaramila hiady,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an'ny vahoaka be! Dia ny fitabataban'ny fanjakan'ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon'ny maro, no manomana miaramila hiady,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Injany ny horakoraka any an-tendrombohitra! Tahaka ny an’ny vahoaka marobe! Ny tabataba ataon’ireo fanjakana, ireo firenena maro tafatambatra! Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no misafo tafika hiady.

Jereo ny toko



Isaia 13:4
23 Rohy Ifampitohizana  

Andray izany firodorodon’ny vahoaka marobe toy ny fikotrokotroky ny ranomasina misafoaka! Andray izato fitrenan’ireo firenena, tahaka ny fidoboky ny onja mahery!


Mivoria ka mihainoa ianareo rehetra: Ilay tiako no hanatanteraka izay sitrapoko amin’i Babilôna sy amin’ny taranaky ny Kaldeanina. Kanefa iza taminareo moa no nanambara izany? Tsy misy.


Faneva famantarana no natsangan’ny TOMPO ho an’ny firenena iray any lavitra any; ka misioka ny Tompo mba hiantsoana azy avy any am-paran’ny tany. Indro izany firenena izany fa nilomay ka ho avy faingana dia faingana tokoa.


Kanefa indray andro any, dia hisy varatra hiraondraona toy ny firohondrohon’ny ranomasina mba hamely io firenena io. Hijery izany tany izany ny olona ka tsy hahita afa-tsy haizim-pahoriana; fa hohamaizinin’ny zavona matevina ny fahazavan’ny andro.


izao fanambaràn’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izao: «Indro hataoko miverin-dalana ireo miaramila izay miady any ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina noho ny fahirano ataony anareo, ka hampodîko ho ao afovoan-tanàna.


Anjaran’ny Babilônianina kosa amin’izay ny hanompo firenen-dehibe sy mpanjaka mahery. Havaliko azy ny ratsy rehetra nataony.


«Onerako aminareo, hoy ny TOMPO, ireo vokatra nohanin’ny fanday sy ny valala mbamin’ny voangory sy ny kijeja; ireny miaramila betsaka ireny no nalefako hamely anareo.


Noho izany, anatin’ny indray andro monja no hiantontan’ny loza hanjo azy, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, sady handevonan’ny afo azy; satria mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.»