Hampandaloviny fitsarana ireo loholona sy lehiben’ny vahoakany: «Ianareo no nanimba ny voaloboka; ary izay nalainareo tamin’ny mahantra no namenoanareo ny tranonareo.
Lozan’ireo olona mpangorona manangon-trano miampy trano sy mamory saha miampy saha, mandra-paha tsy hisy toerana ho an’ny hafa intsony, ka hahatonga azy ho toka-monina amin’ny tany!
Eny, nikomy sy nivadika taminao izahay ka tsy nanaiky hanaraka Anao Andriamanitray. Famoretana sy fikomiana no resakay ary lainga fotsiny no foroninay ao am-po sy avoakan’ny teny ataonay.
Tsy ara-drariny no itorianareo olona, tsy araka ny toetra mahatoky no iadianareo am-pitsarana; porofo tsy azo antoka no ianteheranareo, zavatra tsy marim-pototra no teniteneninareo; torontoronina ny ratsy ianareo ka miteraka loza.
Lozanao, ry Jôiakima, fa nanorina ny lapanao ianao nefa tsy araka ny hitsiny, ary nanampy rihana ianao nefa tsy araka ny rariny fa nampiasainao maina ny namanao ka tsy nomenao ny karamany.
Hitsahiny eo ambony vovo-tany ny lohan’ny osa, ary aviliviliny ny fitarainan’ny mpandefitra eo amin’ny fitsarana. Olona mianaka, dia mifandimby mandry amin’ny zatovovavy iray ihany mba hanevatevana ny anarako masina.
Fa tandremanareo fatratra ny ohatra ratsy nasehon’i Hômrỳ mpanjaka sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy, ka narahinareo ny fomba amam-panaony. Noho izany, dia hatolotro horavana ity renivohitrareo ity ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy; ka ianareo no hitondra ny latsa mianjady amin’ny vahoakako.»
Lozanareo manao amin’ny tapa-kazo hoe: «Mifohaza!» sy amin’ny vato moana hoe: «Mitsangàna!», nefa tsy afa-kilaza na inona na inona izy. Eny, fa na dia voapetaka takela-bolamena sy volafotsy aza ireo, dia tsy manana aina akory ao anatiny.
–Mampalahelo ianao, ry Kôrazìna! Mampalahelo ianao, ry Betsaidà! Raha i Tiro sy i Sidôna no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminareo, dia efa ela ireo no nitafy lamba fisaonana ary nihosin-davenona hanambaràny fa nialany ny toetra ratsiny.
Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa voaloanareo ny ampahafolon’ny ana-madinika toy ny karaotimanitra sy ny solila ary ny kòmina; nefa navelanareo ny zavatra mavesa-danja kokoa ao amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny hitsimpo; ireto indrindra no tsy maintsy tontosaina, na tsy azo avela aza ireroa!
Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo ka madio eto ivelany nefa ao anatiny feno taolam-paty sy henika fahalòvana.
Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa amboarinareo ny fasan’ny mpaminanin’Andriamanitra ary ravahanareo rarivato ny fasan’ny olo-marina,
Ny Zanak’olona dia efa akaikin’ny ho faty, araka ny voalazan’ny Soratra Masina momba Azy, kanefa mampalahelo ilay olona hanolotra ny Zanak’olona! Tsara raha tsy ary izany olona izany!
Nony mahita an’i Jesoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpiandry raharaha, dia niantsoantso nanao hoe: –Homboy amin’ny hazofijaliana io! Homboy amin’ny hazofijaliana io! Fa hoy i Pilato taminy: –Entonareo Izy, ka homboy amin’ny hazofijaliana; fa Izaho tsy mahita izay helony.
Izany no tenin’ny ray aman-dreniny noho izy ireo natahotra ny manampahefana jiosy; satria efa nifanaraka ny manampahefana jiosy fa raha manaiky an’i Jesoa ho Mesia, dia horoahina hiala amin’ny sinagôga.